Nanokana ny andro maneran-tany ho an'ny Raibe sy ny Renibe ary ny zokiolona ny Pape François izay marihina isaky ny alahady akaikin'ny fankalazàna ny fetin'ny Mb Anne sy Joachim ka ny amin'ity taona ity dia ny 25 jolay izao no hankalazaina izany.

Tsy hilaozan'izay tsy fetezana ny zavatra hatao, tsy misy ihany koa ny nateraka mba hijaly, fa ireny no mamolavola ny maha izy ny tena. Ny olona manana ny maha izy azy dia azo hametrahana fitokisana ary mahavita na tsy hotronina aza. Katesizy momba ny famolavolana ny maha izy ny tena, iarahana amin'i P. Rakotomanantsoa Jean Louis.

Alahady 18 jolay 2021 — Alahady fahenina ambin'ny folo mandavantaona — Ny ondriko mihaino ny feoko, hoy ny Tompo; Izaho mahalala azy, ary izy manaraka Ahy — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 6, 30-34

Araka ny lalànan'ny fahatongavana ho nofo dia mila olona hiara-miasa aminy Andriamanitra. Isany maha izy ny tena ny fiainam-pinoana manompo an'Andriamanitra. Olona mahatoky tsy mivadika no atao hoe manana ny maha izy azy. Katesizy momba ny famolavolana ny maha izy ny tena, iarahana amin'i P. Rakotomanantsoa Jean Louis.

[Vaovao manokana] Alakamisy 17 avrily 2025

Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...