Alahady 11 jolay 2021 — Alahady fahadimy ambin'ny folo mandavantaona — Ataoko hoe sakaiza ianareo, hoy ny Tompo, satria efa nambarako taminareo avokoa izay rehetra reko tamin’ny Raiko — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 6, 7-13
Singa efatra no entina mandinika ny olona manontolo: vatana, saina, fo, fanahy. Vatana : matoa naka nofo i Jesoa dia ilaina vonjena mihitsy ny ara-batana. Adidy voalohany ny fitandroana ny fahasalamana amin'ny alalan'ny fahadiovana sy ny fanatanjahan-tena. Katesizy momba ny famolavolana ny maha izy ny tena, iarahana amin'i P. Rakotoamantsoa Jean Louis.
Sabotsy 10 jolay 2021 — Herinandro fahefatra ambin'ny folo mandavataona — Sambatra ireo mitana ny tenin’Andriamanitra amin’ny fo tsara sy mahitsy, ka mitandrina azy sy mamoa amin’ny faharetana — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 10, 24-33
Raha vao miteny hoe "manana ny maha izy azy" matetika dia toa manondro olona malaza izay. Ny tanjona anefa dia ny mba hananan'ny olona toetra : hijoro, hahaleotena, hanana hevitra manokana fa tsy hanaraka ny hafa, ho matotra. Fehiny mba ho olom-banona amin'ny lafiny rehetra. Katesizy momba ny famolavolana ny maha izy ny tena, iarahana amin'i P. Rakotomanantsoa Jean Louis.
Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco