Alakamisy 2 desambra 2021 — Herinandro voalohany amin'ny Fiavian'ny Tompo — Indro ho avy ny Tompo hanavotra ny vahoakany; sambatra izay vonona hitsena Azy — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 7, 21. 24-27

Ny mihaino ny Tenin’Andriamanitra sy mampihatra azy eo amin’ny fiainana dia tsy azo sarahina. Koa araka ny teniny : "tsy izay manao hoe Tompo Tompo no hiditra ny Fanjakan’ny Lanitra fa izay manatanteraka ny sitrapon’ny Ray". Ilaina ny mivavaka satria io no ifandraisana amin’Andriamanitra, saingy vavaka arahana asa. Tsy azo atao fisehosehoana ety ivelany fontsiny ny mivavaka fa ezahana ho latsaka ao am-po ka mivadika ho asa mivaingana. Io Tenin’Andriamanitra io no entina hanorenana ny fiainana. Ao amin’io Tenin’Andriamanitra io no ahafantararana ny sitrapon’Andriamanitra. I Jesoa no Tenin’Andriamanitra tonga Nofo. Tonga tety an-tany Izy, tsy tonga hanatanteraka ny sitrapony fa ny sitrapon’Ilay naniraka Azy. Izy àry no mampianatra antsika hahafantatra ny sitrapon’Andriamanitra sy ny fomba anatanterahana azy.

Oharin’i Jesoa amin’ny lehilahy hendry, manorina ny tranony eo ambony vatolampy ireo izay mihaino ny Tenin’Andriamanitra sy mitandrina azy. Tsy hihontsona ny trano eo ambony vatolampy ; tsy misy afaka hanetsika azy hiala eo. Fa ny trano miorina eo ambony fasika kosa tsy hateza, mety hikisaka ary hirodana mihitsy aza satria entin’ny rano mifindra. Ny tenin’i Jesoa no anorenantsika ny fiainantsika ho toy ny trano mafy fototra miorina eo ambony vatolampy. I Jesoa no vatolampy anorenatsika ny fiainantsika. Raha miresaka ny Fiangonana dia mampatsiahy ilay fahefana nomen’i Jesoa an’i Piera manao hoe "Ianao no Piera vato, ary eo ambon’izany Vatolampy izany no anorenako ny Egliziko ; ny vavahadin’ny afobe tsy haharesy azy". Mafy orina tokoa ny fiainantsika miorina ao amin’ny Fiangonana ; ny Fiangonana izay tsy mitsahatra ny mitory ny Tenin’Andriamanitra. Amin’izao andro fiaviana izao no iezahantsika hihaino ny Tenin’Andriaamnitra, handalina azy ary hanao izay hahatonga azy ho tena fiainana. Amen !

Miara-dàlana] Alatsianiny 29 septambra 2025

• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...