Sabotsy 4 desambra 2021 — Herinandro voalohany amin'ny Fiavian'ny Tompo — Manandrata feo eny amin’ny tendrombohitra, ianao izay mitory teny soa; indro fa tonga amin’ny heriny ny Tompo — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 9, 35 — 10, 1. 6-8

Andriamanitra mahay mangoraka ny Andriamanitsika. Mahita ny fahoriana mianjady amin’ny vahoakany. Te hiaino ny Vaovao Mahafaly ireo vahoaka ireo koa dia tsy nisalasala i Jesoa nitory sy nanambara izany. Tsy ampy anefa ny manambara izany fotsiny fa narahany asa fanasitranana. Nanafaka ny olona tamin’ny geja mamatotra azy Izy satria ny Vaovao Mahafaly dia tsy inona fa ilay teny soa entina mampahiratra ny jamba, manafaka ireo ampahoriana, manfaka ireo gejain’ny fahotana sy ny demony, manasitrana ny marary, manangana ny maty, manome hanina ny noana, manome hasambarana ho an’izay mihaino azy. Mamerina amin’ilay endrika nahariana azy tany am-boalohany, olona tsy hanjakan’ny ratsy, ny aretina fa olona manana ny fahamendrehana sy ny zo ho sambatra.

Mila olona hiara-miasa Aminy i Jesoa hitory ny teny soa mahafaly. Ny olona rehetra no mila famonjena ; eo no ilazany fa be ny vokatra fa ny mpijinja no vitsy. Midadasika tokoa ny saha hijinjana, izao tontolo, ny olona tsirairay. Fomba filaza ao amin’ny Fiangonana ny hoe : ny ankizy ho apôstôlin’ny ankizy, ny tanora ho apôstôlin’ny tanora, ny lehibe ho apôstôlin’ny lehibe. Ny olona tsirairay vita batemy dia afaka mitory teny soa mahafaly ho an’ny namany, manome maimaim-poana ny fanomezam-pahasoavana noraisina. Amin’izao vanim-potoana hiainantsika izao indrindra no hiezahantsika hitondra hafaliana ho an’ny manodidina antsika rehetra, araka ny hafatry ny Papa Fransoa hoe "Mpiray tampo avokoa isika". Ao anatin’ny fiomanana amin’ny fiavian’i Kristy isika izao, ny asa fitiava-namana sy ny fitiavam-bavaka no entintsika mitsena ny Tompo. Ny hanana’ny olona rehetra ny hafaliana no tokony hiezahantsika iainana amin’izao vanim-potoana izao ; fotoana hizarana izany hafaliana izany : mety misy zavatra omena ny mahantra ; misy tsiky zaraina amin’ireo trotraky ny fahoriana isan-karazany, tsy hanao teny maharary na mahavaky fo ny olona manodidina sy ifaneraserana, fa hanambara teny mamy sy feno fanantenana. Amen !

[Miara-dàlana] Alatsinainy 18 nôvambra 2024

  • Nifarana ny 15 nôvambra 2024, ny Fihaonamben'ny Ekipan'ny Aumônerie Catholique des Prisons, izay notanterahana teny amin'ny Cénacle Ambohipo...
  • Nosokafana sy notokanana ny 17 nôvambra 2024, ny Distrika vaovao ao amin'ny EKAR Ave Maria Ampandroantsiriry, ao amin'ny Diôsezin'i Toamasina...
  • Voalahatra handalo fotsiny izao rehetra izao, fa i Kristy no mitoetra mandrakizay. Io no votoatin'ny fampianaran'ny Papa François, nandritra ny vavaka Angelus, ny 18 nôvambra 2024...
Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...