Ny kolontsaina " ny tokontrano tsy ahahaka" dia avy amin'ny soatoavina maha-malagasy ary ny fijery maha-kristiana. Misy fetrany ihany anefa izany raha tonga any amin'ny tsy azo hanoharana ka ilàna ny fanampian'ireo olona natokana ho amin'izany.

Ny fotoana manokana dia tena manova fiainana na eo amin'ny mpivady na eo amin'ny mpianaka. Mitondra fiadanan-tsaina, fiadanam-po, fiadanam-panahy. Fehiny : mahasambatra. Fandraharana "Mba ho vanona" iarahana amin'i Jeneraly Désiré Philippe Ramakavelo.

Mba hananana fahasalamana feno dia ilaina ny fametrahana tanjona ara-pahasalamana. Isan'ny antoka hazoana fahasalamana ny fandanjalanjana ny sakafo, ny torimaso ary ny fampiasam-batana. Fandaharana "Ampela Miary", vokarina eto amin'ny radio Don Bosco.

Ny fery-fanaviana dia avy amin'ny tsimok'aretina iray izay mety hisy fiantraikany amin'ny taova hafa ankoatry ny hoditra na ny taovam-pananahana. Izy io dia mety hakasika ny ati-maso. Ny fery-fanaviana dia avy amin'ny tsimok'aretina, "Herpes Simplex Virus", na HSV, izay misy karazany 2: HSV1 sy HSV2...

Ho fantatra amin'ity volona oktobra ity ny vina manokana ho an'ny toetr'andro momba ny taom-pambolena hoy ny teo anivon'ny fitantanana ankapoben'ny Météo Madagasikara. Ampanangonana ny vaovao ahafahana mamoaka fehin-kevitra momba izany ny teknisiana...

Toetra sy fihetsika tokony ananan'ny tsirairay ny fahamarinana sy ny fahitsiana. Manana anjara toerana lehibe amin'izany ny fanabeazana hamolavola olom-pirenena vanona. Etsy andaniny ny fanarahana ny lalàna araka ny tokony ho izy. Ilàna fandraisana andraikitra sy fanapahan-kevitry ny tsirairay izany.

Ilaina ny fanokanana fotoana ho an'ny fianankaviana. Ny fotoana manokana, eo amin'ny mpivady, eo amin'ny mpianaka dia endriky ny fanehoam-pitiavana. Io fanokanana fotoana io dia mampifanakaiky am-po, sy hanova tanteraka ny rivo-piaraha-monina. Fandraharana "Mba ho vanona" iarahana amin'i Jeneraly Désiré Philippe Ramakavelo.

Matetika ny olona dia tsy mampiseho mivantana ny tena iainany marina ohatra amin'ny hafaliana na fahasahirana. Raha tsy miaina amin'ny toe-tsaina mangarahara isika dia mitoetra ao anaty fihatsarambelatsihy. Ny voajanahary dia ny milaza izay iainana amin'ny fihetsika na fiteny, tahaka ny fomban'ny ankizy. Ilaina fandanjalanjana araka izany ny toe-tsaina...

Ny aretin'ny nofon'ny fo dia fahatsentsenan'ny lalan-dra, izay mamelona ny fo, ary mahalo ny nofo mandrafitra ny fo. Isan'ny antony mahatonga ny aratin'ny nofon'ny fo ny fahasimbana na fahatsentsenan'ny lalan-dra noho fikorontanan'ny "cholesterol". Amin'ireo tratry ny aretin'ny nofon'ny fo dia lehilahy ny 60%. Manafaigana ny ahazoana io aretina io ny fifohana sigara, fisotroana toaka, tsy ampy fihetseham-batana, mitaitaindava, ny tosi-dra. Fambara : marary ny faritra ambadiky ny ivon'ny taolan-tratra...

Mihamahazo laka amin'ny famokarana eny ambanivohitra ny famokarana biolojika. Maro ny tantsha efa misehatra amin'izany. Tantsaha iray Andriamatoa Ranaivoson Fleuris avy eto amin'ny Faritra Analamanga no nahazo tombontsoa amin'izay famokarana biolojika izay, dia ny famokarana tsy mampiasa taharo simika.

Dingam-piainana ho lalovan'ny ray sy reny ny ho zokiolona, voajanahary izany. Manana ny anjara toerany ny zokiolona ka isan'ny ireny : Manamora ny hanorenantsika ny ho avy. Mitahiry ny fahalalana toa ny soatoavina, ny finoana ny ray aman-dreny, manana andraikitra hananatra sy hizara fitiavana ihany koa. Manan-jo hisitraka fitiavana sy valim-babena ny ray aman-dreny, indrindra amin'ny fahanterany, mety ho latsakemboka na fananganana lalam-pihariana kely ahafahany miaina am-pilaminana.

Aoka hiainantsika isan'andro ny teny famporisihana mba hahatonga antsika ho tompon'andraikitra ary ho tonga biriky handrafetana ny trano mampivoatra sy mampandroso ary mampivelatra. Fandraharana "Mba ho vanona" iarahana amin'i Jeneraly Désiré Philippe Ramakavelo.

[Vaovao manokana] Alakamisy 17 avrily 2025

Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...