Ny Fitaizam-pahasalamana amin'ny lafiny rehetra dia sarobidy satria ny fahasalamana no iankinan'ny fiainana manontolo. Ny fahasalamana no voalohan-karena ary ilaina tandrovina tsara. Ny fahasalamana dia tsy hoe "tsy fisian'aretina" fotsiny ihany, fa azo hadika ho fahatomombanana ara-batana, ara-tsaina, ara-pifandraisana sy ara-tsosialy ihany koa...
♦ Ahoana no nandraisana ny taona vaovao sy ny votoatin'ireo firarian-tsoa nifanaovana tamin'izany ? ♦ Famantarana sy ny fomba iainana ireo soatoavina kristianina mandritra ity taona ity.
Ny olom-banona dia izay manisy hasina ny fifandraisana eo amin'ny maha samy olombelona, ary ao anatin'izany ny fanajana ny soatoavina. Ny maha olom-pirenena kosa dia ny fanatanterahana ny zo omen'ny lalana rehefa feno valo ambin'ny folo taona...
Hifarana ny taona, ora vitsy sisa dia hivalona ny taona 2021, efa ao anatin'ny taona vaovao 2022 indray isika amin'ny herin'ny anio. Tamberina fohy ireo zava-nisy nisongadina nanamarika ity taona 2021 ity teo amin'ny sehatry ny fampandrosoana ny tontolo ambanivohitra no hamaranana ny fandaharana amin'ity taona ity. Fandaharana "Hirika" tontosain'Andriamatoa Rakotoarison James Daniel, mpanao gazety eto anivon'ny Radio Don Bosco.
Maro ireo lohahevitra nifampizaràna nandritry ny taona 2021, nifampizaràna ary nahafahana nanasongadina ny hoe : fibeazana miaina sy mitia. Lohahevitra lehibe ny hoe : fifankaherezana sy fifanohanana, indrindra tamin'ny fiatrehana ny covid-19. Fintinina amin'ity fandaharana ity ny vita rehetra nandritry ny taona 2021 ka arahina tomban'ezaka.
Ny fomba fanehoam-pitiavana eo amin'ny olona roa, eo amin'ny mpifankatia, mpianaka, mpinamana dia mifototra koa amin'ny fifanajàna. Mampiavaka antsika malagasy ny fandrindrana ny fiaraha-monina amin'ny alalan'ny fifanajàna, eo koa ny fifandraisana amin'ny zavaboahary. Fandaharana "mba ho vanona", iarahana amin'i Jeneraly Désiré Philippe Ramakavelo.
Ilaina ny fanombanana izay vita sy niainana. Tsy tsikeran'izay miiba ihany anefa no atao hoe tombana, noho izany, mitaky toe-tsaina mahitsy sy mila fahaizana ihany koa ny fanaovana tombana mba hitarika ho amin'ny fivoarana.
Naseho an'ireo tantsaha tetsy amin'ny lemak'i Laniera ao amin'ny kaominina Sabotsy-Namehana distrika Antananarivo-Avaradrano ny fomba fanetsana amin'ny alalan'ny milina entin-tanana sy ny milina maneha amin'ny angovo. Milina natao hifanaraka amin'ny fomba fambolem-bary voizin'ny tetik'asa PAPRIZ izay eo ambany fiahian'ny MInisteran'ny Fambolena sy ny Fiompiana.
Mangina ny fanentanana amin'ny ady amin'ny Sida eto amintsika dia mihevitra ny olona fa efa foana izy. Mila hampiroboroboana ny fepetra fiarovana amin'ny fifindrany sy ny fanaovana fitiliana. Ireo tsy manao fitiliana kanefa mitondra tsimokaretina no mamindra fa ireo efa fantatra dia efa manaraka fitsaboana ny ankamaroany.
Ny mpisehatra amin'ny telozorom-panabeazana dia miroaroa saina manoloana ny fialan-tsasatry ny Noely 2021 ity. Misy zavatra maromaro mampiavaka ity fialan-tsasatra ity mantsy toy ny : fiatraikan'ny fiovan'ny toetrandro, fahatapahan'ny fampianarana tapoka noho ny Covid-19, famerenana ny fampanajàna ny fepetra sy ny fihetsika sakana amin'ny maha ao anatin'ny vanim-potoanan'ny "Fahamailona ara-pahasalamana" ny faritra vitsivitsy noho ny valan'aretina.
Manao ny fivoriambe fanao isaky ny roa taona ny "Groupement Para Professionnels Vétérinaire de Madagascar" na ny GPPVM, ivondronan'ireo teknisiana niofana manampy an'ireo "vétérinaire" amin'ny fitsaboana sy ny fikarakarana ny biby eny ambanivohitra...
Maro ny olana ara-pananahana ankehitriny ka ilaina ny herivelon'ny Fiangonana hiaraka handray andraikitra amin'izay tandrify azy hanabe ny olona amin'ny fanajana ny soatoavina kristianina amin'ny lafiny ara-pananahana.
Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco