Lahatr'Andriamanitra ny isian'ny zava-mitranga sy izay tsy maintsy misy araky ny toetr'andro ankehitriny. Finoana no tsy maintsy hamaliana ny antso ; Andriamanitra no miantso hanohy ny fahariana, hiaro ny aina, asa entina mizaka ny tany, fitiavana sy fanajàna ny hafa. Miantefa amin'ny olombelona rehetra ny antson'Andriamanitra hiaina ny fifampitsinjovana... Katesizy momba ny foto-pampianaran'ny Eglizy "Gaudium Et Spes " Ny Fiangonana sy ny fiantsoana ny olombelona" iarahana amin'i P. Rabenirina Joseph.

Ny ahiahy dia miteraka alahelo sy tebiteby eo amin'ny olona tsirairay, fikorontanana ara-tsaina sy ara-tsôsialy, fahasahiranana amin'ny fanapahan-kevitra marina eo amin'ny fiainana andavanandro, sy amin'ny fananganana fiaraha-monina mifototra amin'ny rariny sy ny fiadanana. Ireo ahiahy ireo dia vokatry ny faniriana sy hetahetam-paniriana tsy voahevitra tsara raha tsy ampiarahina amin'ny soatoavina kristiana... Katesizy momba ny foto-pampianaran'ny Eglizy "Gaudium Et Spes iarahana amin'i P. Germain Thierry Randriamiarantsoa.

Ny olombelona dia manana faniriana lalina hahafantatra ny tontolo sy ny tenany, izay miseho amin'ny fandalinana ny siansa sy ny teknôlôjia, fikarohana momba ny filôzôfia, ny kolontsaina. Ny fiangonana dia miantso ny olombelona hanatratra ireo hetaheta ireo amin'ny fomba marina sy mahafeno, amin'ny alalan'ny fanomezana fahazavana avy amin'ny Evanjely sy ny fitiavan'Andriamanitra, fanampiana ny olona hiaro ny maha-olona sy hanaja ny hafa... Katesizy momba ny foto-pampianaran'ny Eglizy "Gaudium Et Spes iarahana amin'i P. Germain Thierry Randriamiarantsoa.

Ny tsy fifandanjana eo amin'ny fiaraha-monina dia miteraka alahelo sy tebiteby ho an'ny marefo sy ireo tra-pahoriana, fikorontanana ara-tsôsialy sy ady eo amin'ny olona sy ny firenena, fahasahiranana amin'ny fanatanterahana ny soatoavina maha-olona. Ny Fiangonana dia manana andraikitra amin'ny fampahatsiahivana ny maha-zava-dehibe ny rariny sy ny firaisankina ary ny fanampiana ireo marefo... Katesizy momba ny foto-pampianaran'ny Eglizy "Gaudium Et Spes iarahana amin'i P. Germain Thierry Randriamiarantsoa.

Miaina fiovan-toetsaina lalina ihany koa ny olona ankehitriny, izay miseho amin'ny fanalavirana ny fomba fijery mahazatra, faniriana hahatakatra ny olombelona amin'ny fomba vaovao misokatra amin'ny fomba fijery maneran-tany. Ireo fiovana ireo dia mitaky ny olona hahay mandinika ary mandray fanapahan-kevitra amin'ny fomba mahaleotena, tsy miankina amin'ny fahazarana... Katesizy momba ny foto-pampianaran'ny Eglizy "Gaudium Et Spes iarahana amin'i P. Germain Thierry Randriamiarantsoa.

Alahady 29 martsa 2026 - Alahady Sampankazo - Fandinihana ny fijalian’ny Tompo - Ho antsika, dia nanolo-Tena i Kristy hanaiky hatramin’ny fahafatesana, dia fahafatesana tamin’ny Hazofijaliana. Ho valin’izany kosa, dia nasandratr’Andriamanitra ambony indrindra Izy: ary nomeny Anarana mihoatra ny anarana rehetra. Ny vola noraisin'i Jodasy tamin'ny takalon'ny fanoroana an'i Jesoa dia taratry ny famadihana ny hafa, amin'ny toe-piainana ankehitriny, no sady tsy firaiketana intsony amin'ny marina, ary miafara amin'ny fomonoana aina. Mila mivavaka isika indrindra anatin'ny sarotra ; i Jesoa zanak'Andriamanitra dia nanaiky ny hitondra ny hazofijaliana ho fanafahana ny olombelona...

I Madagasikara dia isan'ireo firenena mbola ahitana tranganà kolikoly betsaka indrindra, noho ireo tsy fahadiovana eo amin'ny fitondran-draharaha. Porofo mivainga, ny fanendrena tompon'andraikitra, amin'ny famitana tolo-draharaha eny anivon'ireo ministera sy ireo orinasa. Raha tiana ny handrosoan'ny Firenena dia atao ezaka ny fialana amin'ny kolikoly : aoka tsy ny vola na ny hafa no hanosika amin'ny fanapahan-kevitra, fanajana fotoana sy fanonerana ireny, fanajana ny hasin'ny hafa sy ny hasin'ny tena, fanaovana laharam-pahamehana ny tombontsoa iombonana, hiaino ny finoana... Fandaharana "hono hoy aho Mompera", eto amin’ny Radio Don Bosco, isaky ny alarobia alina.

Ny Gaudium et Spes dia foto-pampianarana ara-pastoraly momba ny Eglizy, manoloana ny vanim-potoana ankehitriny ; eny ny hafaliana sy ny fanantenana, ny fahoriana sy ny ahiahy manjoa ny olombelona amin'izao fotoana izao, manjo indrindra ireo mahantra sy mijaly dia hafaliana sy fanantenana, fahoriana sy ahiahin'ny mpianatr'i Kristy rehetra. Voaresaka ao anatin'ity fotom-pampianarana ity ny lafiny ara-pinoana sy ny ara-pitondrana, ireo toetra amam-pihetsika, araka ny toer'olombelona sy ny fivoarana misy eto an-tany amin'ny lafiny maro... Fandaharana "hono hoy aho Mompera", eto amin’ny Radio Don Bosco, isaky ny alarobia alina.

Manoloana ny fiovana, ny Konsily dia miantso ny Fiangonana mba ho mailo sy manam-pahendrena ka handinika lalina ny zava-misy vaovao anefa tsy handao ny Evanjely. Tsy tokony hatahotra ny fiovana ny Fiangonana fa kosa hanavaka izay manaja ny maha-olona sy izay mety hanimba azy. I Kristy ihany no ahitana ny fototra mafy orina afaka mitarika any amin'ny  fiovana... Katesizy momba ny foto-pampianaran'ny Eglizy "Gaudium Et Spes iarahana amin'i P. Germain Thierry Randriamiarantsoa.

Ao anatin'ny Gaudium et Spes n°4 dia mandinika ny toe-javatra iainan'ny olombelona amin'ny tontolo ankehitriny, izay voamariky ny fandrosoana lehibe nefa koa anaty fikorontanana sy tebiteby lalina, ny Eglizy. I Kristy no fanantenana marina afaka mandresy ny tebiteby lalina indrindra ao am-pon'ny olona. Ao Aminy no ahitàn'ny olombelona ny valin'ny fanontaniana fototra momba ny ho avy... Katesizy momba ny foto-pampianaran'ny Eglizy "Gaudium Et Spes iarahana amin'i P. Germain Thierry Randriamiarantsoa.

Ny fiovana ara-tsôsialy sy ara-kolontsaina dia miseho amiin'ny fanovana ny rafitra ara-pianarana, asa, sy ny fitantanana, fanitarana ny fahalalana sy ny fidirana amin'ny vaovao, fivoaran'ny fomba fiainana sy ny soatoavina, fiovan'ny fomba fifandraisana eo amin'ny olona sy ny vondrom-piaraha-monina. Ireo fiovana ireo dia mitaky fahatsiarovan-tena sy fanabeazana vaovao... Katesizy momba ny foto-pampianaran'ny Eglizy "Gaudium Et Spes iarahana amin'i P. Germain Thierry Randriamiarantsoa.

Ny Fiangonana dia mahita fa tsy afaka misaraka ny famonjena ara-panahy sy ny fandrosoana maha-olona. Ny Fiangonana dia maniry ny hanampy ny olombelona hahalala ny fahamarinana momba ny tenany sy ny fiainany, hiaro ny hasin'ny maha-olona, hiady amin'ny tsy rariny,ny fanandevozana ary ny fanilikilihana, hanangana fiaraha-monina mifototra amin'ny rariny sy ny fitiavana... Katesizy momba ny foto-pampianaran'ny Eglizy "Gaudium Et Spes iarahana amin'i P. Germain Thierry Randriamiarantsoa.

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...