Ny mpandray anjara manokana amin'ny fombafomba (mpamaky, mpihira, mpanotrona...) dia tokony hiofana tsara ara-panahy sy ara-litorjika. Samy manana andraikitra : tsy hanasongadinan-tena fa hanasoavana ny vahoaka ny fandraisana anjara amin'ny Litorjia, fanompoana tsy mitaky valiny. Tokony ho feno amim-pahalalana ary mavitrika ny fandraisan'ny vahoaka anjara... Katesizy momba ny fanavaozana ny Litorjia, iarahana amin'i P. Randriamanamahenina Robert Marie.
Samy manana ny toetra maha-izy azy ny fombam-pivavahana sy ny fankalazana tsirairay. Raha azo atao dia tokony atao amin'ny fiombonana (vahoaka sy pretra) ny fankalazana rehetra. Ny fankalazana manokana dia natao ho amin'ny antony manokana ihany. Tsara ny mivavaka miaraka, indrindra ny fijoroana vavolombelona eo anatrehan'ny vahoakan'Andriamanitra... Katesizy momba ny fanavaozana ny Litorjia, iarahana amin'i P. Randriamanamahenina Robert Marie.
Asan'ny Eglizy iray manontolo ny Litorjia, izany hoe asa iombonana ataon'ny Kristy sy ny Eglizy fa tsy fombafomba ataon'ny pretra irery. Ny fandraisana anjara amin'ny lamesa dia asa fiombonan'ny vahoakan'Andriamanitra, midika fa tsy mpijery na mpihaino fotsiny fa mpandray anjara amin'ny mistery. Ny fiangonana dia iray tsy mivaky izay manambara an'i Kristy... Katesizy momba ny fanavaozana ny Litorjia, iarahana amin'i P. Randriamanamahenina Robert Marie.
Ny Litorjia dia mampihaino sy manambara ny Tenin'Andriamanitra, alohan'ny hanatanterahana ny Sakramenta. Efa natomboka taloha ny fanavaozana satria tsy mitovy ny famakiana boky taloha sy ny ankehitriny (Missel - Bréviaire...) Tsy tokony hiandry ela amn'ny fanavaozana (mitohy) mba tsy ho lany andro ny teny am-piasaina. Olona manam-pahaizana no manova azy... Katesizy momba ny fanavaozana ny Litorjia, iarahana amin'i P. Randriamanamahenina Robert Marie.
Mila fahazarana ny famakiana ny Soratra Masina ; ao anatin'ny Soratra Masina no hakana ny teny vakiana sy ny toriteny noho izany dia tsy azo atao ambanin-javatra ny Soratra Masina ao amin'ny Litorjia. Ny Soratra Masina dia loharano fototra amin'ny Litorjia rehetra. Ny fankalazana rehetra dia tokony hanana laharana lehibe ho an'ny Tenin'Andriamanitra... Katesizy momba ny fanavaozana ny Litorjia, iarahana amin'i P. Randriamanamahenina Robert Marie.
Alahady 23 novambra 2025 : Alahady faha-34 mandavantaona — D — Fankalazana manetriketrika an’i Jesoa Kristy Mpanjakan’izao tontolo izao. I Kristy Mpanjaka hampiray sy hampandry fahalemana ny firenena rehetra. Hosoavina anie Ilay avy, amin’ny Anaran’ny Tompo; hosoavina anie ny fanjakan’i Davida Raintsika. Mifarana anio ny taona litorjika ho an'ny Fiangonana ary hisantatra taona vaovao manomboka amin'ny alahady 30 novambra 2025, alahady voalohany amin'ny Fiavian'ny Tompo. Ny fanjakan'i Jesoa dia miavaka satria izy no Mpanjakan'ny aina, Mpanjakan'i fahamarinana, Mpanjakan'ny fiadanana sy ny famindram-po, ary Mpanjakan'ny fitiavana...
Manana adidy lehibe izay olona sy mpikambana voatendrin'ny Fiangonana hiandraikitra ny "Justice et Paix" mba hiaro tanteraka ny rariny sy ny hitsiny ary ny fandriam-pahalemana. Ny zo aman'adidy dia izay voafaritry ny lalàna sy ny fitsipika ifampifehezana, mifamatotra ireo ; Ny rariny sy ny hitsiny dia tsy hoe izay voafaritry ny lalàna no hampiarina fahatany fa fanapahan-kevitra voalanjalanja... Fandaharana "hono hoy aho Mompera", eto amin’ny Radio Don Bosco, isaky ny alarobia alina.
Ny fiketrahana Masina irery no manana fahefana faratampony amin'ny fandaminana, fanovana Litorjia. Ny Eveka afaka manova araka izay lalàna manan-kery, izay voarakitra ao amin'ireo tahirin-kevitra maro misy eo amin'ny Eglizy. Omena fahefana ihany ko any CEM amin'ny fandaminana ny fanompoam-pivavahana. Ny fanavaozana dia atao amin'ny fahefana ara-kanônika... Katesizy momba ny fanavaozana ny Litorjia, iarahana amin'i P. Randriamanamahenina Robert Marie.
Ny fanavaozana ny Litorjia dia tsy atao noho ny lamaody fa amin'ny antony lalina sy fototra (fahasoavana, fiombonana, finoana). Tsy maintsy mitandrina amin'ny fahamarinam-pampianarana sy manaja ny fomban-drazana masina ; ny Eglizy no mitahiry ny lova-panahy, tahirin-kevitra voahangona manaja ny lalàna. Alohan'ny hanavaozana dia atao ny fandalinana maro lafy... Katesizy momba ny fanavaozana ny Litorjia, iarahana amin'i P. Randriamanamahenina Robert Marie.
Ny Fiangonana dia tapa-kevitra amin'ny fanavaozana ny Litorjia satria io no endriky ny Eglizy, manandanja ny fanavaozana sy ny fanatsaràna mba hifanaraka amin'ny vanim-potoana iainana. Tsy miova ny toetry ny Eokaristia, misteri-panahy, tsy midika hanova amin'ny tsy antony fa hanavao amin'ny fanajàna ny lova masina sy ny foto-pampianarana marina... Katesizy momba ny fanavaozana ny Litorjia, iarahana amin'i P. Randriamanamahenina Robert Marie.
Aoka ny Eveka sy ny pretra hampianatra sy hanofana ny vahoaka mba hahalala sy handray anjara tsara amin'ny Litorjia. ohatra : Fanofanana ny vaomieran'ny Litorjia isa-paroasy. Mila katesizy Litorjika ho an'ny mpino, manaza ny dikan'ny Eokaristia sy ny vavaka isan-karazany, ny sakramenta ny taom-piangonana. Tokony ho fantatry ny mpino fa izy rehetra dia mandray anjara amin'ny asan'i Kristy... Katesizy momba ny Fanaingana ny olona hiofana momba ny Litorjia, iarahana amin'i P. Herizo Ramamonjisoa.
Aoka ny fikambanana sy ny ivon-toerana momba ny fianarana litorjika hiorina sy hanampy amin'ny fanavaozana. Tokony hisy "centre de liturgie" isam-piangonana na amin'ny ambaratonga nasiônaly, hanomana sy hanofana ireo mpitarika. Ny fanabeazana litorjika dia andraikitra iraisan'ny Eglizy manontolo, tsy an'ny seminera na pretra irery... Katesizy momba ny Fanaingana ny olona hiofana momba ny Litorjia, iarahana amin'i P. Herizo Ramamonjisoa.
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco