Zava-dehibe ny fahatsorana sy fanetren-tena eo anoloan'Andriamanitra, izany no toe-panahy andrasana amintsika rehefa mivavaka. Tsy fisehosehoana velively ny antony handehanana any am-piangonana sy iaraha-mivavaka amin'ireo toeram-pivavahana fa ny hanompo an'Andriamanitra. Tsy mety ny miandranandrana sy mirehareha eo anatrehan'Andriamanitra rehefa mivavaka... Katesizy momba ny fihakahan-kevitra, iarahana amin'i P. Rabenirina Joseph.
Ambaran'ny Paoly Apôstôly fa tsy haintsika akory ny mangataka izay tena ilaintsika. Mitaky toe-po sy toe-panahy ny fomba fivavahana, mila fanetren-tena, fahatsorana, sady atao anaty finoana sy fanantenana ary fitiavana. Tsy tokony ho mailaka hangataka fotsiny isika, fa mila miaiky heloka aloha, milofo mitalaho ny famindram-pon'Andriamanitra, miondrika eo anatrehany ary midera sy misaotra Azy... Katesizy momba ny fihakahan-kevitra, iarahana amin'i P. Rabenirina Joseph.
Maro no alaim-panahy hihevitra fa ny vavaka dia mitondra mandrakariva fahagagana eo amin'ny fiainana, anefa tsy izany no izy fa tolona sy hazakazaka. Ny vavaka dia fifampiresahana amin'Andriamanitra ary matetika isika dia manadino mandritra ny vavaka fa isika no natao hanompo azy Tompo, any ka Andriamanitra indray no heverintsika ho mpanompontsika... Katesizy momba ny fihakahan-kevitra, iarahana amin'i P. Rabenirina Joseph.
Maro amintsika no mandà ny hoe hivavaka satria mitalaho sy mangataka isika, anefa toa sahala amin'ny hoe tsy henoina vavaka. Matetika dia toa zary fanafintohinana ho antsika tokoa ny tsy fahatanterahan'izany, tsara marihana anefa fa tsy fahagagana ny vavaka fa resaka ifanaovana amin'Andriamanitra ary henoiny hatrany, saingy izay tena mahasoa no tanterahiny... Katesizy momba ny fihakahan-kevitra, iarahana amin'i P. Rabenirina Joseph.
Raha sendra sendaotra na sorena kely na mba tezitra kely amin'Andriamanitra isika, ary toa manomboka mametra-panontaniana maro Aminy, dia tsy inona no ataontsika amin'izany hoy ny Papa François fa misaritra ny fon'Andriamanitra Raintsika, mba hijery sy hitodika aty amintsika, ao anaty fahavoazana sy fahasahiranana ary olana maro. Anaty hatezerana dia misy hetaheta-po... Katesizy momba ny fihakahan-kevitra, iarahana amin'i P. Rabenirina Joseph.
Zava-dehibe ho an'ny fiainan'ny tanora ny fanomanana ny ho aviny, ka tsy tokony tsinotsinoavina. Ny fifankahalana sy ny fizarazana dia isan'ny manimba ny tanora, tsy tokony ho lany fotoana amin'ny rendrarendra ny tanora, fa hanao ho zava-dehibe ny mahasoa, toy ny fianarana sy ny fiofanana... Miantso ny tanora mba hiverina amin'ny fitiavam-bavaka, torak'izany ny fianakaviana tsirairay... Fandaharana "hono hoy aho Mompera", eto amin’ny Radio Don Bosco, isaky ny alarobia alina.
Alahady 02 febroary 2025 : fankalazana manetriketrika ny nanolorana ny Tompo. Fanamasinana ny Jiro : Fahazavana hanilo ny Jentily Izy, sady voninahitr’i Israely olonao. Ity fotoana fankalazana ny nanolorana ny Tompo ity dia manamarika ny fotoana izay nankatoavan'i Jesoa ny lalàna ampahibemaso ary nitsena ireo vahoaka niandry Azy, eto ihany koa no fahataperan'ny andro fidiovana, araka ny lalàn'i Môizy, aorian'izay moa dia mandeha manolotra fanatitra ho an'ny Tompo. Ao amin'ny Fiangonana no toerana ahitantsika an'i Kristy sy hitsenantsika Azy. Ny fetin'ny Jiro masina dia manambara fahazavana izay famantarana an'i Kristy fahazavana...
Ny mpivavaka marina dia tsy mba mamono ny vavaka, fa manao ny vavaka ho toy ny jiro mirehitra eny an-tanany mandrakariva, mampahatsiahy antsika ireo virijiny hendry, ary mampahatsiahy ny nanomezana ny jiro mirehitra tamin'ny andro nanaovana Batemy antsika. Samia mizatra mitodika tsy tapaka amin'Andriamanitra na amin'ny mora na amin'ny sarotra fa izany no fivavahana marina... Katesizy momba ny fihakahan-kevitra, iarahana amin'i P. Rabenirina Joseph.
Ireo Olomasina rehetra dia samy nandalo ny "lohasaha maizina" avokoa, toa very fanantenana aza indraindray izy ireny, nefa tsy kivy. Tsy kivy tsy mihemotra fa mandroso hatrany. Mila faharetana ny vavaka, mila herim-po ; aza miady irery fa ndrao resy, fa antsoy ny mponin'ny lanitra, hankahery sy hanohana indrindra ny Fanahy Masina sy ireo Anjely mpiambina antsika... Katesizy momba ny fihakahan-kevitra, iarahana amin'i P. Rabenirina Joseph.
Mba ho mpivavaka marina sy feno zotom-po, dia ilaina ny fahaizana mandrindra fotoana eo amin'ny fiainana andavanandro. Tsy mety raha omena vahana ny hakamoana sy ny hakiviana, indrindra amin'izay fahasoavana angatahintsika manokana. Matetika dia ny tsirambina vokatry ny tsy fanomanana tsara ny fandinihana na fibanjinana no miteraka ny tsy fahombiazana na hamainana anaty... Katesizy momba ny fihakahan-kevitra, iarahana amin'i P. Rabenirina Joseph.
Misy ezaka toa tsy misy vokany, toa mangina Andriamanitra, ary izany dia mahatonga fahamainana. Noho izany dia kivy isika fa hoe tsy mivaly ny vavaka. Andriamanitra dia eo amin'ny fiainantsika mandrakariva, mankahery antsika ary mihaino ny vavaka ataontsika. Aza kivy na reraka fa aoreno ny finoana an'Andriamanitra, aoka hanana faharetana isika rehefa mivavaka... Katesizy momba ny fihakahan-kevitra, iarahana amin'i P. Rabenirina Joseph.
8 febroary 2025 — Sabotsy, Herinandro Tsotra fahefatra Mandavantaona— Ny ondriko mihaino ny feoko, hoy ny Tompo. Izaho mahalala azy, ary izy manaraka ahy — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 6, 30-34)
Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco