Ny Baiboly dia manambara zavatra maro, ny Baibolin'ny Jody dia mizara telo mazava tsara, isan'ireny ny mikasika ny Lalàna sy ny Mpaminany. Ao anatin'ny fizarana voalohany ny "Lalàna" ahitana boky 5, ahitàna ny fiandohan'izao tontolo izao, ny fivoahana avy tany Ejipta ; lalàna mifehy ny mpisorona, ny fanisàna. Ny miresaka ny "Mpaminany" : Josoe, Mpitsara, Samoela... Katesizy momba ny Testamenta Taloha, iarahana amin'i P. Abdon Rafidison.
Ny Baiboly dia fitambaram-boky marobe, raha ny hita dia misy boky 73 no natambatra ka 46 isa no mandrafitra ny Testamenta Taloha, miampy 27 isa Testamenta Vaovao. Misy boky miisa fito, mirakitra ny votoatin'ny fanagejana nihatra tamin'ny Jody nataon'ireo Grika : Tobia, Fahendrena, Makabeo, Baroaka... Katesizy momba ny Testamenta Taloha, iarahana amin'i P. Abdon Rafidison.
Ny Testamenta Tranainy dia Testamenta Taloha ihany ; ny mpanoratra dia notsilovin'ny Fanahy Masina, manana ny maha izy azy : niteny tamin'ny sokajin'olona tamin'izany vanim-potoana izany. Mba tsy hivily dia ao am-piangonana no andraisana ny hevitry ny Tenin'Andriamanitra, vakiana miaraka amin'ireo efa nanao ny fandalinana mba tsy hivoana... Katesizy momba ny Testamenta Taloha, iarahana amin'i P. Abdon Rafidison.
Alahady 28 septambra 2025 - Alahady faha-26 mandavantaona — D : Ny soa atao levenam-bola. Ny teninao, ry Tompo, dia fanahy sy fiainana ho anay, Ianao no manana ny teny mahavelona mandrakizay. Mbola ho hita hatrany ankoatra ny elanelana mpampisatrakany mpanana sy ny mahantra eto an-tany ; anefa ny harena dia tsy ny vola ihany fa eo ihany koa ny fahaizana amam-pahalalana, ny talenta sy ny hatsaram-panahy. Ny fahantrana dia miseho amin'ny endriny maro toa ireo tsy nahazo fanabeazana, very zo, ireo tsy misokatra ara-panahy. Io elanelana io dia hitsimbadika any ankoatra any ka ireo ory teto an-tany dia ho tojo hasambarana...
Manana andraikitra haneho fifampitsimbinana ny Malagasy rehetra. Ny fitoniana dia singa iray afahana mikaroka vahaolana amin-javatra maro, atao toetra fototra ny fahitsina, ialàna ny famitahana. Ny tompon'andraikitra ara-panjakàna, olom-boafidy, ireo mpandraharaha, olom-boatendry dia mila manao ho zava-dehibe ny soa iombonana fa tsy hanao asa mifanohitra amin'ny fitsipi-pitondran-tena. Fandaharana "hono hoy aho Mompera", eto amin’ny Radio Don Bosco, isaky ny alarobia alina.
Ry Malagasy rehetra mpiray firenena, ianareo mpiavy efa iray firenena amin'ny Malagasy sy iray ra, iray fizakan-jo amin'ny Malagasy. Manao antso-avo amin'ny tsirairay mba hisoroka olana maro lafy izay efa niteraka ankivy lalina teto Madagasikara. Aoka samy ho tony, samia manatontosa ny andraikiny sy ny adidy tandrify azy ny tsirairay, anatin'ny fanajana ny fahamarinana sy fahadiovam-po. Ataovy zava-dehibe ny fifanajàna, fifampihainoana... Fandaharana "hono hoy aho Mompera", eto amin’ny Radio Don Bosco, isaky ny alarobia alina.
Noho ny maha-iray ny fandaharan'Andriamanitra, tsy ny lahatsoratra ao amin'ny Soratra Masina ihany no mety ho famantarana fa eo koa ny zava-misy sy ny fisehoan-javatra izay lazainy. Ny hevitra an'ohatra, ny hevitra ara-môraly, ny hevitra ara-tandindona. Ny hevitra ara-bakiteny mampianatra ny zava-miseho, ny hevitra an'ohatra manoro izay tsy maintsy inoana, ny hevitra ara-môraly mampianatra izay tsy maintsy atao, ny hevitra ara-tandindona... Katesizy momba an'ny Soratra Masina, tenin'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Ralison Raphaël Eugène.
Ekena tsy misy tomika lalan-dava àry ny fahamarinan'Andriamanitra sy ny fahamasinany ao amin'ny Soratra Masina, ary anefa miharihary koa ny fietrena mampitolagaga nasehon'Ilay Fahendrena mandrakizay "mba hahalalantsika ny hatsaram-po tsy hay lazaina misy ao Aminy sy ny rindram-piteny nampiasainy mba hitsinjovana sy hitandroana ny maha olombelona antsika"... Katesizy momba an'ny Soratra Masina, tenin'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Ralison Raphaël Eugène.
Araka ny fombam-pitenenana iray nataon'ny Aba, dia tsara kokoa ny amakiana ny Soratra Masina ao am-pon'ny Eglizy, toy izay amin'ny fitaovana fampitana ny heviny. Satria, entin'ny Eglizy ao amin'ny Lovam-pampianarany ny fahatsiarovana velon'ny Tenin'Andriamanitra, ary ny Fanahy Masina manome azy ny fivoasana ara-panahy ny Soratra Masina "... araka ny hevitra ara-panahy izay atolotry ny Fanahy Masina ny Eglizy... Katesizy momba an'ny Soratra Masina, tenin'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Ralison Raphaël Eugène.
Ao amin'ny Soratra Masina, miteny amin'ny olombelona araka ny fomban'olombelona Andriamanitra. Mba hivoasana tsara ny Soratra Masina. Mba hivoasana tsara ny Soratra Masina, tsy maintsy tandremana izany izay noheverin'ny olombelona mpanoratra hambara marina sy izay tena sitrak'Andriamanitra haseho antsika amin'ny alalan'ny tenin'izy ireo. Tsy maintsy vakina sy voasana eo ambany fahazavan'ny Fanahy nampanoratra azy ny Soratra Masina... Katesizy momba an'ny Soratra Masina, tenin'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Ralison Raphaël Eugène.
Mba hahatakarana ny zavatra nokendren'ny mpanoratra masina : tsy maintsy fantarina, anivon'ny zavatra hafa, ny karazan-dahatsoratra ; tsy maintsy arahi-maso tsara, ireo fomba fisainana, fomba fiteny, fomba fitantara nahazatra teo an-toerana sy nanan-kery tamin'ny andron'ny mpanoratra masina. Ny amin'ny fivoasana ny Soratra Masina àry dia manatanteraka ny didy sy ny anjara raharaha masina ho famoasana ny tenin'Andriamanitra ny Eglizy... Katesizy momba an'ny Soratra Masina, tenin'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Ralison Raphaël Eugène.
Nitsilo ny sain'olombelona mpanoratra ny Boky Masina Andriamanitra. "Mba hamoronana ireny boky masina ireny, ka nifidy olona afaka nampiasa feno sy manontolo ny fahaizana amam-pahalalan'izy ireo sy ny fahafahan'izy ireo Andriamanitra, niasa tao amin'izy ireo sy tamin'ny alalan'izy ireo Andriamanitra tenany, hampetrahan'izy ireo an-tsoratra, hifanaraka tamin'ny fanirian'Izy Mpitsilo... Katesizy momba an'ny Soratra Masina, tenin'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Ralison Raphaël Eugène.
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco