Abrahama dia anarana nomen'Andriamanitra, anarana tompon'andraikitra, anarana maniraka, noho ny finoany sy ny fihainoany ary ny nahatokisany tsy amim-pisalasalàna azy Andriamanitra. Abrahama dia azo adika amin'ny hoe loha-pianakaviana, raim-pianakaviana, ilay anarana tadindon'ny fampanantenana. Niditra tamin'ny tantaran'olombelona Andriamanitra mba handio azy sy hamonjy azy... Katesizy momba an'ny fanambaran'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.
Tamin'ny alalan'ny Teniny no nanambaran'Andriamanitra ny tenany. Tsy nitazana fotsiny ny fahalavoan'ny olombelona tamin'ny fahotana Andriamanitra fa tompon'andraikitra amin'izay nohariany Izy, amin'ny alalan'ny famonjerana maro lafy. Na dia nisy aza ny endri-pamaizana samihafa dia nisy ireny mba hitazonana ny fahalavorariana... Katesizy momba an'ny fanambaran'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.
Tsy fototry ny fahotana fotsiny ny fihainoana ny Tenin'Andriamanitra fa io tsy fihainoana io ihany koa no mahatonga ny fahafatesan'ny olombelona, izay tsy mihaino ny Tenin'Andriamanitra dia anisan'ireo maty mandrakizay izany hoe tsy ho isan'ireo hitsangan-ko velona. Rehefa miala amin'Andriamanitra isika olombelona dia maty anefa mbola miezaka mamonjy antsika amin'ny fomba maro izy Mpahary... Katesizy momba an'ny fanambaran'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.
Andriamanitra no mpahary, manana adidy hiahy sy hamelona ary hamonjy ny olombelona izay nohariany Izy. Lavo noho ny tsy fihainoana ny tenin'Andriamanitra ny olombelona satria nandika ilay fandraràna (Voankazo voarara). Samy tompon'andraikitra i Adama sy Eva tamin'ny tsy fihainoana ny tenin'Andriamanitra ; isika kristianina ankehitriny raha mitazana fotsiny ny loza mety hahazo ny ralahintsika sy ny namantsika dia meloka... Katesizy momba an'ny fanambaran'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.
Teny tokana Andriamanitra, Jesoa teny tokan'Andriamanitra, tsy misy toa azy ary tsy misy azo ampitahaina aminy, Masina sy lavorary. Tsy mitovy amin'ny fahalavorarian'Andriamanitra ny fahalavorarian'izay rehetra nohariany, eny fa na ny olombelona aza. Ny andro fahaenina no naharian'Andriamanitra ny olombelona, fa tamin'izany ihany koa no nahariany ny biby fiompy izay fanao sorona... Katesizy momba an'ny fanambaran'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.
Andriamanitra manambara ny tenany : Tsy ampy fotsiny ny milaza sy te hampahafantatra hoe iza "Andriamanitra ", fa te hiombona tanteraka amin'ny olombelona Andriamanitra, ka hatanteraka izany dia miseho tsikelikely amin'ny olombelona Andriamanitra maneho ny tenany. Andriamanitra no mpahary ny olombelona, ary mbola Andriamanitra ihany koa no mpamonjy, dia izay mino azy... Katesizy momba an'ny fanambaran'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.
"Teny" mihitsy no naharian'Andriamanitra an'izao tontolo izao, araka izay voalaza ao amin'ny Jenezy, mitantara ny nahariana an'izao tontolo izao. Tamin'ny nahariana an'izao tontolo izao dia niteny Andriamanitra ary izay noteneniny sy tiany dia nisy. Isaky ny faharian'Andriamanitra tao anatin'ny 6 andro misesy dia nofarany hatrany tamin'ny hoe "ary hitan'Andriamanitra fa tsara izany" ... Katesizy momba an'ny fanambaran'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.
Dei dia midika Andriamanitra, ary ny Verbum dia teny, ny Dei Verbum kosa dia azo adika hoe tenin'Andriaminitra. Andriamanitra miteny (Andriamanitra Ray), ilay tenin'Andriamanitra tonga nofo (Jesoa Kristy), ilay teny no lasa soratra dia ny Baiboly. Ny Eglizy dia mampianatra ny Tenin'Andriamanitra izay sarotra azo, raha tsy misy manazava, sy mampianatra eny na nadika tamin'ny tenim-pirenena maro... Katesizy momba an'ny fanambaran'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.
Ny famonjena ny olona rehetra dia efa vitan'i Jesoa Kristy tamin'ny nanolorany ny tenany teo amin'ny hazofijalina tao Kalvary, famonjena ny olombelona rehetra tsy ankanavaka ; ny fampiaran'ny tsirairay avy izay sorona nataon'i Jesoa izay, manana ny safidy ny tsirairay ho handray sa tsia izany famonjena izany, izay no ambara hoe famonjena ny tsirairay (rédemption subjective)... Katesizy momba an'i Masina Maria Virijiny, Renin'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Hervé Solofoarimanana.
Ny Papa Joany Paoly-II dia nanao katesizy misesy mikasika an'i Masina Maria, ka ny laharana faha 54, tamin'ny taona 1997 no miresaka ny fahafatesan'i Renin'Andriamanitra. Tsy manda ny fahafatesan'i Masina Maria ny Papa Pie-XII. Tsy lo fa avy hatrany dia nakarina any an-danitra avy hatrany ny Renin'Andriamanitra ; mety kokoa ny mihevitra fa nandalo fahafatesana izy ... Katesizy momba an'i Masina Maria Virijiny, Renin'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Hervé Solofoarimanana.
Masina Maria dia famantarana manambara fanantenana azo antoka ary fanalana alahelo ny vahoaka an'Andriamanitra mivahiny ety an-tany. Ary amin'izany ny Renin'i Jesoa dia efa henimboninahitra vatana sy fanahy any an-danitra ka santatry ny Fiangonana sy ny endriny araka ny ho toetrany any amin'ny taona ho avy, dia famantarana mamirapiratra manambara fanantenana azo antoka... Katesizy momba an'i Masina Maria Virijiny, Renin'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Hervé Solofoarimanana.
Misy ny fakam-panahy mikasika ny fanajàna an'i Masina Maria : Mampitandrina amin'ny zavatra hatao amin'ny fanajàna an'i Masina Maria ny Fiangonana, na tsy ampy na mihoatra ny tokony ho izy ; ohatra hoe manao saple miresaka amin'i Masina Maria kanefa zara raha miresaka moma an'i Masina Maria na mampiditra ny fanajàna ny Renin'Andriamanitra loatra amin-javatra rehetra... Katesizy momba an'i Masina Maria Virijiny, Renin'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Hervé Solofoarimanana.
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco