Tsy maintsy milozoka amin'ny famakiana sy ny fandalinana ny Soratra Masina ireo rehetra manana andraikitra amin'ny Asa fitoriana ny Vaovao Mahafaly, na ireo mpandraharaha masina, loha-laharana amin'izany ny pretra, ny diakra ary ny katesista satria tsy maintsy mampita ny haremben'ny Tenin'Andriamanitra amin'ny kristiana nankinina taminy izy ka mitaky fandalinana izany... Katesizy momba ny Soratra Masina ao amin'ny fiainan'ny Eglizy, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.
Ny Teôlôjia dia sampam-pianarana manokana momba ny fahalalana an'Andriamanitra sy ny Misterin'ny Finoana. Ny Teôlôjia ihany koa dia fianarana momba ny Fanahy Masina, Masina Maria, Jesoa Kristy ary ny Sakramenta, kanefa hoy tsy maintsy ny Soratra Masina mandrakariva no ifotoran'ireny fampianarana maro ireny, satria izy no aina mamelona ny Teôlôjia Masina... Katesizy momba ny Soratra Masina ao amin'ny fiainan'ny Eglizy, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.
lahady faha-29 mandavantaona — D — Mahareta hanana ny soa. Hanazava ny masom-panahintsika anie Andriamanitra, Rain’i Jesoa Kristy Tompontsika, mba hahalalantsika ny fanantenana niantsoany antsika. Aoka ho lavorary ny olon’Andriamanitra ary ho vonona amin’ny asa soa rehetra. Ny evanjely eto dia miresaka toro-hevitra momba ny fivavahana, manazava ny saina manoloana ny fanontaniana saro-balina. Be fitiavana Andriamanitra ary mihaino mandrakarivana ny fitarainan'ny olona Izy. Tena ankasitrahan'Andriamanitra ny mivavaka ho an'ny hafa...
Ny fitiavan-tanindrazana sy ny finoana dia mira zotra ho fampandrosoana ny firenena, indrindra ho fandravana ny lainga, sy ny tsy fahamarinana, kolikoly. 14 oktobra 1958 no nanambaràna tamin'ny fomba ôfisialy fa afaka i Madagasikara, saingy hatramin'izao anefa dia mbola eo ambany ziogan'ireo firenena matanjaka vahiny ny Malagasy. 14 oktobra 2025 no nijoro ireo Miaramila hanavotra ny firenena... Fandaharana "hono hoy aho Mompera", eto amin’ny Radio Don Bosco, isaky ny alarobia alina.
Hajain'ny Eglizy fatratra ny Soratra Masina noho izy Tenin'Andrimanitra. Efa hatrany am-piandohana mihitsy dia efa najain'ny Fiangonana fatratra ny Soratra Masina ary mbola mitohy mandraka ankehitriny izany fanajàna izany, indrindra indrindra amin'ny Litorjia Masina. Tsy nisaraka na oviana na oviana tamin'ny lovam-pampianarana ny Soratra Masina... Katesizy momba ny Soratra Masina ao amin'ny fiainan'ny Eglizy, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.
Ny hanatonan'ny mpino kristiana amin'ny fomba malalaka ny Tenin'Andriamanitra no tanjon'ny Fiangonana ka fomba hahatongavana amin'izany ny Teny. Tany am-piandohana dia dikan-teny roa lehibe no nankatoavin'ny Fiangonana dia eo aloha ny avy amin'ny Grika tranainy, nataon'izy 70 lahy ka zary niantsoana azy hoe dika-teny Septanta, ary avy amin'ny Latinina "Volgata"... Katesizy momba ny Soratra Masina ao amin'ny fiainan'ny Eglizy, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.
Ankoatry ny mpanoratra dia marihan'ny konsily fa misy zavatra 5 asongadin'ny boky mandrafitra ny baiboly : Manamafy ny voalaza mahakasika an'i Kristy Tompo, Manazava hatrany ny tena fampianarany, Mitory ny herim-pamonjena avy amin'ny asan'Andriamanitra nataon'i Kristy, Mitantara ny fiatombohan'ny fiangonana sy ny fihitarany, Milaza ny fahataperany be voninahitra... Katesizy momba ny Testamenta Vaovao, iarahana amin'i P. Flavien Andriamirijanirina.
Lazain'ny konsily fa na i Masindahy Paoly na soratra hafa nataon'ireo apôstôly ihany no ankatoavina ho anisan'ny tenin'Andrimanitra ao amin'ny Testamenta vaovao. Miisa 27 ny boky ao amin'ny Testamenta Vaovao. Ny asan'ny apôstôly dia tsy iza fa i Masindahy Lioka ihany no nanoratra azy ary tohin'ny Evanjely ; ny taratasin'ny Masindahy Paoly dia miisa 13... Katesizy momba ny Testamenta Vaovao, iarahana amin'i P. Flavien Andriamirijanirina.
Ny evanjely dia vokatry ny toritenin'ny apôstôly mifanentana tanteraka amin'ny olona nanatrika azy ireo ; ohatra ny an'i Masindahy Matio dia nosoratana ho an'ny Jody lasa kristianina tao amin'ny faritr'i Palestine, Masindahy Marka dia nanoratra ho an'ny kristianina ivelan'ny Jody na ilay atao amin'ny teny vahiny hoe Paganochretien. Masindahy Lioka nanoratra ho an'ny Jentily... Katesizy momba ny Testamenta Vaovao, iarahana amin'i P. Flavien Andriamirijanirina.
Ireo apôstôly dia nanao toriteny nombana fahatakarana satria efa nandray ny Fanahy Masina, ka afaka nahafantatra sy nahatakatra tsara ny maha izy azy an'i Jesoa. Azo ambara fa Jesoa ara-teôlôjika no ambaran'ny mpanoratra ny Evanjely. Jesoa efa fantany sy azony mazava tsara no ampitainy, efa voafakafaka lalina tsara. Tamin'ny niara-niaina tamin'i Jesoa ireo apôstôly dia mbola tsy nahazo hoe iza marina izy... Katesizy momba ny Testamenta Vaovao, iarahana amin'i P. Flavien Andriamirijanirina.
Ny evanjely dia tena nisy ara-tantara, izany hoe tsy angano na zavatra noforonina. Ny fiangonana Reny Masina dia nitana ary mitana amin'ny fomba tsy azo hozongozonina ary tena tsy nisy fahatapahana fa ireo Vaovao Mahafaly efatra voalaza ireo izay ambarany tsy misy fihambahambana ny fisiany ara-tantara nitrangany dia mampita marina izay zavatra nataon'i Jesoa zanak'Andriamanitra... Katesizy momba ny Testamenta Vaovao, iarahana amin'i P. Flavien Andriamirijanirina.
Alahady 12 oktobra 2025 : Alahady faha-28 mandavantaona — D — Mahaiza mankasitraka an’Andriamanitra. Ny ondriko mihaino ny feoko, hoy ny Tompo; Izaho mahalala azy, ary izy manaraka Ahy. Raha miaritra isika, dia hiara-manjaka amin’i Kristy. Nahariharin’ny Tompo ny famonjeny, hitan’ireo firenena ny fahamarinany. ny tanany havanana, ny sandriny masina no nahazoany fandresena. Isaky ny manolotra ny Eokaristia isika, natsiaro fa voavela heloka tamin'ny sakramentan'ny fampihavanana, ny fahatsiarovan-tena ho afaka dia tsy afa-misaraka amin'ny fahatsapana ny loharano niavian'ny fahasoavana, mendrika hisaorana...
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco