Alahady 25 janoary 2026, Alahady faha-3 mandavantaona — A — Masoandro be lohataona i Kristy ka tsy mifidy olon-kosoavina ; Nitory ny Evanjelin’ny Fanjakan’Andriamanitra i Jesoa ary nanasitrana ny aretina sy ny rofy rehetra tamin’ny olona. I Korinty dia toerana nivezivezen'ny olona maro, avy amin'ny fiavina samihafa noho izy nanana seranan-tsambo lehibe, maro ny firehan-kevitra mifamaofaho, na ny samy kristianina azy dia samy manana ny fanazavany ny finoana araka izay takany, ireny anefa no niteraka ny fifampiandaniana ; miantso ny rehetra mba haneho finoana iray...