Alahady 22 martsa 2026 - Alahady faha-5 - Taona A Karemy - I Kristy no fiainana sy fananganana ho velona. Izaho no fananganana sy fiainana, hoy ny Tompo, ka tsy ho faty mandrakizay izay mino Ahy. Ny isa "efatra" dia manambara izao tontolo izao : ny avaratra sy atsimo, ny atsinanana sy ny andrefana ; mba hanehoan'Andriamanitra ny voninahiny ary mba handresen'Andriamanitra Zanaka an'izao tontolo izao no nananganany an'i Lazara. Izay naterak'Andriamanitra dia maharesy an'izao tontolo izao. Mamakivaky izao karemy izao isika ka miezaka mandresy ny fahotana fa izany no fandresena an'izao tontolo izao...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 19 ôktôbra 2026

• Tontosa ny alakamisy 15 ôktôbra 2026 tany amin'ny Diosezin'Ambositra, ny fanokafana amin'ny fomba ofisialy ny Taom-pianarana 2026-2027 eo anivon'ny Sekoly Katolika manerana an'i Madagasikara... • Hotontosaina ny 8 nôvambra 2026 ny fanamasinana ho Eveka an'i Mgr Mariusz Kasperski, Eveka Mpanampy ao amin'ny Arsidiôsezin'i Toamasina... • Nisaotra ireo mpino nivavaka ho azy tamin'ny fandidiana azy ny Ray masina, nandritra ny Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...