Ny Gaudium et Spes n°2 dia manambara fa ny Fiangonana dia manana iraka mazava : mitory an'i Kristy amin'ny olombelona rehetra, amin'ny fomba mifanaraka amin'ny zava-misy iainan'ny tontolo maoderina. Tsy midika izany fa manilika ny kolontsaina na ny fandrosoan'ny Fiangonana fa maniry ny hifampiresaka amin'ny siansa sy ny kolontsaina, hanaja ny fahafahan'ny olona misaina... Katesizy momba ny foto-pampianaran'ny Eglizy "Gaudium Et Spes iarahana amin'i P. Germain Thierry Randriamiarantsoa.
Manambara ny Gaudium Et Spes n°2 fa ny Fiangonana dia tsy faly noho ny hery na ny fahefana ananany fa satria Kristy velona no ao aminy ; Izy no fahazavana sy fahamarinana atolotry ny Fiangonana ho an'izao tontolo izao. Ny hafalian'ny Fiangonana dia miorina amin'ny finoana dia Andriamanitra tonga nofo, niara-nonina tamin'ny olombelona, ary namonjy ny olona tamin'ny alalan'ny fahafatesany sy ny fitsanganan-ko velona... Katesizy momba ny foto-pampianaran'ny Eglizy "Gaudium Et Spes iarahana amin'i P. Germain Thierry Randriamiarantsoa.
Tsy misy zavatra maha-olombelona marina izay tsy mampihetsi-po ny fon'ny mpianatr'i Kristy ; ity fanambarana ity dia manasongadina ny hasin'ny maha-olona. Ny Gaudium Et Spas dia manasa ny Fiangonana sy ny Kristianina rehetra hanana fijery misokatra sy feno fitiavana amin'ny olombelona sy ny tontolo iainany, ka tsy hijanona amin'ny fitoriana fotsiny fa hiditra lalina amin'ny zava-misy ... Katesizy momba ny foto-pampianaran'ny Eglizy "Gaudium Et Spes iarahana amin'i P. Germain Thierry Randriamiarantsoa.
Alahady 22 martsa 2026 - Alahady faha-5 - Taona A Karemy - I Kristy no fiainana sy fananganana ho velona. Izaho no fananganana sy fiainana, hoy ny Tompo, ka tsy ho faty mandrakizay izay mino Ahy. Ny isa "efatra" dia manambara izao tontolo izao : ny avaratra sy atsimo, ny atsinanana sy ny andrefana ; mba hanehoan'Andriamanitra ny voninahiny ary mba handresen'Andriamanitra Zanaka an'izao tontolo izao no nananganany an'i Lazara. Izay naterak'Andriamanitra dia maharesy an'izao tontolo izao. Mamakivaky izao karemy izao isika ka miezaka mandresy ny fahotana fa izany no fandresena an'izao tontolo izao...
Betsaka ny mpanimba ny fanabeazana sy ny fitaizana ; mila mitaiza ny fo amin'ny alalan'ny vavaka ny rehetra na inona na inona finoany. Mila beazina amin'ny fahaiza-mitia ny tsirairay, mitia ny tena sy ny hafa, mitia ny tontolo manodidina. Miainga amin'ny fitaizana ao an-tokantrano sy ny any an-tsekoly ary ny eny amin'ny fiaraha-monina ny fanabeazana. Ny fitaizana sy ny fanabeazana dia fototra lehibe afahana mampandroso ny firenena... Fandaharana "hono hoy aho Mompera", eto amin’ny Radio Don Bosco, isaky ny alarobia alina.
Ny Gaudium Et Spes dia foto-pampianarana pastoraly, navoakan'ny Konsily Vatikana-II, tamin'ny taona 1965, miresaka ny fiangonana manoloana ny vanin'andro ankehitriny, mampiseho ny fifandraisan'ny Fiangonana sy izao tontolo izao. Ny hafalian'ny olona sy ny fanantenany, ny alahelony dia hafalian'ny mpianatr'i Kristy no fanantenany ary alahelony ihany koa ... Katesizy momba ny foto-pampianaran'ny Eglizy "Gaudium Et Spes iarahana amin'i P. Germain Thierry Randriamiarantsoa.
Alahady 15 martsa 2026. Taona A - Alahady faha-4 Karemy : Ny finoana an’i Kristy no fahazavana vaovao - Izaho no Fahazavan’izao tontolo izao, hoy ny Tompo; izay manaraka Ahy, hanana ny fahazavan’ny fiainana. Tsy voatery ho sazy na famaizan'Andriamanitra noho ny fahotana natao ny aretina na kilema na ny fijalina manjoa ny olombelona fa mba hanehoana ny asan'Andriamanitra ao aminy. Tsy hain'Andriamanitra ny mahary ny ratsy na ny fahafatesana fa ny manao ny tsara sy ny mamelona ihany no hainy ; porofon'ny fiahian'Andriamanitra ny olombelona ny nanomezany ny zanany hamonjy...
Alahady 08 martsa 2026. Alahady fahatelo - taona A - KAREMY - Mahatoky Andriamanitra : Ianao tokoa no Mpamonjy an’izao tontolo izao, ry Tompo, ka omeo amin’izany rano izany re aho, mba tsy hangetaheta intsony. Ny fatsakana dia toerana fihaonan'ny lehilahy sy ny vehivavy izay mitondra hatrany amin'ny fanambadiana ; ohatra ny fihaonan'i Jakôb sy Rasely, araka ny hita ao amin'ny bokin'ny Jenezy. Vehivavy manana olana maro, tandindon'ny olombelona rehetra anaty sedra sy sarotra ilay samaritana tafaresaka tamin'i Jesoa, anefa tojo fanantenana izy noho ny fahatokiana an'Andriamanitra miseho amin'ny alalan'ny Zanany...
Zava-dehibe ny fiainan'ny fianakviana, voatondro mazava ao anaty litania fa i Masindahy Joseph no lohan'ny fianakaviana masina. Ny lehilahy loham-pianakaviana rehetra dia entanina haka tahaka an'i Masindahy Joseph, amin'ny fahaizana mitantana ny fianakaviana sy amin'ny fahatsorana. Manana adidy ny ray aman-dreny amin'ny fanabeazana ny zanaka amin'ny lafiny rehetra. Ny fiainam-pianakaviana dia tsara kokoa raha ombana hafaliana sy fifampiresahana... Fandaharana "hono hoy aho Mompera", eto amin’ny Radio Don Bosco, isaky ny alarobia alina.
Alahady 01 martsa 2026 - Alahady faharoa karemy - Taona A - Voaantso ho an’ny fanantenana isika. Tao anatin’ny rahona mamirapiratra no re ny feon’ny Ray nanao hoe: Ity no Zanako malalako: henoy Izy. Ny dikan'ny fiovan-tarehy teo amin'i Jesoa dia fanehoany ny voninahiny mba hankaherezana ireo mpianany rehefa ho tonga ny fotoan-tsarotra efa voasoratra sy lalana hamonjena ny olombelona, etsy ankilany dia fanambaran'i Jesoa ny tenany amin'ny maha Andriamanitra Azy sy fanambarana mialoha ny hitsanganany amin'ny maty. Ny hoe "Henoy" dia fienkem-pinoana nataon'ny Jody, araka ny voalaza ao amin'ny Testamenta Taloha...
Adidy no mifanompo ao anatin'ny fianakaviana, etsy ankilany anefa dia nataon'ny tompon'andraiki-panjakàna nifandimby ankilabao ny fiahiana ny fianakaviana, indrindra ny fitaizana ny taranaka. Goragora ny fanabeazana ara-piaraha-monina izay fototry ny fanabeazana ny ankohonana sy ny lafiny ara-pitondrantena. Ireo manana andraikitra dia variana mameno kitapo tahiry, raha mitantana ara-drariny anefa ka mametraka ny fifanajàna sy ny fifanompoana dia azo antoka ny hatafita ny firenena sy ny isan'ankohonana.. Fandaharana "hono hoy aho Mompera", eto amin’ny Radio Don Bosco, isaky ny alarobia alina.
Alahady 22 febroary 2026 - Taona A - ALahady voalohany karemy : Andriamanitra tsy tia ratsy fa ny olombelona no be siasia. Tena fitiavana ny fandraràn'Andriamanitra ny olombelona amin'ny alalan'ny Didy folo sy ny fandraràna hafa araka ny Soratra Masina, Tian'Andriamanitra hanaka azy amin'ny lafiny rehetra ny olombelona. Ny tany efitra dia manambara fisitahana, fahanginana, fivavahana, fisedràna fakam-panahy maro. Ny demony dia tsy maka fanahy raha tsy misy zavatra fanararaotra toy ny sakafo, harena, voninahitra, ka ilaina mitolona am-bavaka sy mitoky amin'Andriamanitra Ray, Zanaka, sy Fanahy-Masina...
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco