Manoloana ny tranga misy ankehitriny dia miroaroa saina ny vahoaka ka ilaina ny vavaka ho fanalana ozona eto amin'ny firenena ; voahitsaka ny zo aman-kasin'ny olona sy ny fokonolona. Tokony hazava tsara ny fivezivezen'ny olona amin'ny alalan'ny fampiharana ny jado (couvre feu), indrindra manoloana izao fanakorontanana ny firenena amin'ny hala-jaza sy ny fakana ankeriny. Anjelin'Andriamanitra, mpiambina ahy sy nanankinan'Andriamanitra mpamindrafo ny aiko, hazavao aho anio, hambeno ary tahio, ary zakao, Amen! ... Fandaharana "hono hoy aho Mompera", eto amin’ny Radio Don Bosco, isaky ny alarobia alina.

Ry Misely Arkanjely Masina, ampio izahay amin'ny ady manjoa anay, arovy izahay amin'ny hasomparana sy ny fandriky ny demony, mifona izahay, aoka hosakanan'Andriamanitra izy, ary ianao ry filohan'ny tafiky ny lanitra, noho ny herin'Andriamanitra dia tohero satana sy ny fanahy mpanimba rehetra, izay mihah aka eran'izao tontolo izao mba havery ny olona ka havarino any amin'ny afobe, Amen

Enganie Andriamanitra Andriananahary, Ray, Zanaka, Fanahy Masina, ny herin'ny Trinite Masina mba hidina aminay sy ny mpitondra anay! Enganie Masina Maria Virijiny tsy azon-keloka, ny Arkanjely fito izay mijoro manoloana an'Andriamanitra, ary ny tafiky ny lanitra tontolo, ny Olomasina rehetra any Andanitra  mba homba anay! Tohano izahay ry Tompo, ovay ny fonay ary fenoy anao, iraho izahay, roahy lavitra anay ny herin'ny ratsy rehetra, foano sy poteho izy ireo mba hanananay fahasalamana feno sy hanao ny tsara, roahy ho lavitra anay ny ratsy rehetra!

[Miara-dàlana] Alatsinainy 14 septambra 2026

• Nankalazaina omlay alahady ny Jobily faha-25 naha Eveka sy ny faha-40 taona naha Pretra an'i Mgr Zygmunt Robaszkiewicz, Evekan'i Mahajanga... • Hanatanteraka fampiofanana ho an'ireo handimby toerana ny Birao Nasionaly, ny avy eo anivon'ny MDMK/CVX, amin'ity volana septambra ity... • Relijiozy Seleziana Don Bosco miisa 15 no manaraka fiofanana any Roma, hanao misionera...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...