Alahady 12 aprily 2026 : Alahady faharoa - Taona A fankalazana ny Paka - MIfalia sy mifankatiava ao amin’ny Tompo. Aleloia. Aleloia. Nino ianao, ry Tômà, satria nahita Ahy; fa sambatra izay tsy nahita ka mino. Aleloia. Ny fitsanganan-ko velona dia tsy voafehin'ny toerana sy ny fotoana, ary tsy voafehin'izao tontolo izao satria efa nandresy an'izao tontolo izao ary velona i Jesoa. Velona i Jesoa ary velona mameno izao rehetra izao. Andriamanitra dia tsy manilika ny olombelona fa miantso mba hiraikitra aminy ary miantso ny olombelona hanana fiombonam-pisainana sy fiombonam-piainana...

Ny Fiangonana sy ny olombelona dia natao hamaly ny antson'ny Fanahy Masina izay mibitsika ao am-pony ; ny fahamendrehan'ny olombelona, izay endrik'Andriamanitra simban'ny fahotana amin'ny endriny maro, ny fiforonan'ny teknôlôjia samihafa ihany koa manampy trotraka mitondra amin'ny tebiteby. Nataon'Andriamanitra ho iray ny olombelona rehetra, mifampiankina ary mifandray noho izany dia zava-dehibe ny fitambarana (ohatra : Fokonolona), mametraka ho laharam-pahamehana ny soa iombonana sy ny zo aman-kasin'ny tsirairay, fanajàna ireo tsy mitovy hevitra amin'ny tena... Fandaharana "hono hoy aho Mompera", eto amin’ny Radio Don Bosco, isaky ny alarobia alina.

Ao amin'ilay Teny Tonga Nofo no miseho mazava ny Misterin'ny olombelona. Tsy tena mazava ny Misterin'ny olombelona, raha tsy dinihina anatin'ny Misterin'ny Teny Tonga Nofo. Adama voalohan'olombelona dia tandindon'ilay tsy maintsy  ho avy dia i Kristy Tompo. I Kristy no ilay Olona lavorary, manavao ny fitovian'ny taranak'i Adama endrika amin'Andriamanitra... Katesizy momba ny foto-pampianaran'ny Eglizy "Gaudium Et Spes " Ny Fiangonana sy ny fiantsoana ny olombelona" iarahana amin'i P. Rabenirina Joseph.

Nanova ny fomba fijery  eo amin'ny lafiny fifandraisan'ny Eglizy amin'izao tontolo izao ny Konsily Vatican-II. Miara-miantoka handrosoan'izao tontolo izao amin'ny fianakaviamben'ny olombelona ny Eglizy ; ny hafaliana, ny fanantenana, ny alahelo, ny tebitebin'ny olona, indrindra fa ireo mahantra  dia an'ny Eglizy ihany koa... Katesizy momba ny foto-pampianaran'ny Eglizy "Gaudium Et Spes " Ny fifandraisan'ny mpiarabelona" iarahana amin'i P. Ratovonjanahary Jean Luc.

Lazain'ny Fiangonana fa tsy mampihena ny zo maha-olona ny fanoavana an'Andriamanitra ; sady tsy mivadika amin'Andriamanitra ny Fiangonana no tsy mamadika ny olombelona ka amin'alahelo sy amin-kery lehibe tokoa araka ny efa nataony tamin'ny lasa no anamelohany lalandava an'ireny foto-pampianarana manala ny olombelona amin'ny fahamendrehana ireny... Katesizy momba ny foto-pampianaran'ny Eglizy "Gaudium Et Spes " Ny Fiangonana sy ny fiantsoana ny olombelona" iarahana amin'i P. Rabenirina Joseph.

Miseho amin'ny endrika maro samihafa ny tsy finoana an'Andriamanitra : io no fositra lehibe indrindra amin'izao andro izao. Ny fihamboana tafahoatra ho olona afaka dia mitarika tsy hino an'Andriamanitra. Miseho ho zava-nianarana sy nalamina ny tsy finoana an'Andriamanitra amin'izao andro izao ka asesiny mafy ny olona haniry hizaka tena... Katesizy momba ny foto-pampianaran'ny Eglizy "Gaudium Et Spes " Ny Fiangonana sy ny fiantsoana ny olombelona" iarahana amin'i P. Rabenirina Joseph.

Ny mampivarahontsana ny olombelona indrindra dia izy ho faty. Noresen'i Kristy anefa ny fahafatesana ka hiara-mitsangana aminy isika. Eo anoloan'ny fahafatesana no tonga amin'ny fara-tampony ny zava-tsarotra momba ny toetry ny olombelona. Fa na dia tsy mahomby aza eto ny fisaintsainana rehetra ; araka ny fampianaran'ny Eglizy dia hiafara amin'ny fahasambarana ny fahoriana... Katesizy momba ny foto-pampianaran'ny Eglizy "Gaudium Et Spes " Ny Fiangonana sy ny fiantsoana ny olombelona" iarahana amin'i P. Rabenirina Joseph.

Nomen'Andriamanitra safidy malalaka ny olombelona hanao ny tsara sy handositra ny ratsy. An-tsitra-po malalaka mandrakariva anefa no itodihan'ny olona mankamin'ny tsara. Ny tena fahafahana ao amin'ny olombelona dia mariky ny maha-endrik'Andriamanitra azy. Ny fahamendrehan'ny olombelona dia mandidy azy hanao zavatra an-tsafidy malalaka ara-kônsiansy... Katesizy momba ny foto-pampianaran'ny Eglizy "Gaudium Et Spes " Ny Fiangonana sy ny fiantsoana ny olombelona" iarahana amin'i P. Rabenirina Joseph.

Tsapan'ny olona fa ao anatiny ao dia misy lalàm-pitondran-tena tsy maintsy arahina, dia ny feon'ny Kônsiansiny. Dodonan'io feo io lalandava izy ho tia sy hanao ny tsara ary handositra ny ratsy ; re ao anatin'ny fo ao izy milaza amin'ny fotoana mety manao hoe "ataovy ity ; ialao io ".  Na mety ho diso làlana aza ny kônsiansy dia tsy very hasina velively izy... Katesizy momba ny foto-pampianaran'ny Eglizy "Gaudium Et Spes " Ny Fiangonana sy ny fiantsoana ny olombelona" iarahana amin'i P. Rabenirina Joseph.

Alahady 05 aprily 2026 - Alahady Paka : Nitsangan-ko velona tokoa i Jesoa - Efa voavono i Kristy izay Paka ho antsika ao amin’ny Tompo. Tsy nahatana an'i Jesoa ny herin'ny maizina sy ny fahafatesana ; nandresy ary nitsangan-ko velona ny Tompo ary tsy maty intsony. Lalina sy mahagaga ny ataon'Andriamanitra ho antsika, manambara ny nahafatesanao izay ry Tompo, mankalaza ny nitsangananao, miandry ny hiavianao amim-boninahitra. Ao anatin'ny hateloana fankalazana ny Paka dia tsy mihanona fotsiny amin'ny fahatsiarovana ny fijalian'ny Tompo isika fa hiditra amin'io Mistery io ka hataontsika fihetsepony ny fihetsepo ao amintsika, hiainana izay niain'i Jesoa...

Voalazan'ny Baiboly fa nataon'Andriamanitra mitovy endrika aminy ny olombelona, ary nataony lahy sy vavy ; saika mifanaraka mandrakariva ny hevitry ny mpino sy ny tsy mpino momba ity zavatra ity ka "Ny olombelona no toy ny foibe sy filohan'ny zavatra rehetra. Olo-marina no naharian'Andriamanitra ny olombelona nefa voasodokan'ilay Ratsy... Katesizy momba ny foto-pampianaran'ny Eglizy "Gaudium Et Spes " Ny Fiangonana sy ny fiantsoana ny olombelona" iarahana amin'i P. Rabenirina Joseph.

Nataon'Andriamanitra vatana sy fanahy ny olombelona. Tsy maintsy hajainy ny vatany ary lalainy ny fanahiny ; ny vatana dia toa fitambaran'ny zava-boahary tsy vakivolo satria ao aminy no fara-tampon'izy rehetra ary ahazoany midera ny Mpahary azy ireo an-kalalahana. Marina ny iheveran'ny olombelona fa noho ny sainy fotsiny dia mihoatra ny zavatra rehetra izy satria manana anjara amin'ny fahazavan'ny sain'Andriamanitra... Katesizy momba ny foto-pampianaran'ny Eglizy "Gaudium Et Spes " Ny Fiangonana sy ny fiantsoana ny olombelona" iarahana amin'i P. Rabenirina Joseph.

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...