Alahady 23 novambra 2025 : Alahady faha-34 mandavantaona — D — Fankalazana manetriketrika an’i Jesoa Kristy Mpanjakan’izao tontolo izao. I Kristy Mpanjaka hampiray sy hampandry fahalemana ny firenena rehetra. Hosoavina anie Ilay avy, amin’ny Anaran’ny Tompo; hosoavina anie ny fanjakan’i Davida Raintsika. Mifarana anio ny taona litorjika ho an'ny Fiangonana ary hisantatra taona vaovao manomboka amin'ny alahady 30 novambra 2025, alahady voalohany amin'ny Fiavian'ny Tompo. Ny fanjakan'i Jesoa dia miavaka satria izy no Mpanjakan'ny aina, Mpanjakan'i fahamarinana, Mpanjakan'ny fiadanana sy ny famindram-po, ary Mpanjakan'ny fitiavana...

[Miara-dàlana] Zoma 18 septambra 2026

• Nomarihana ny sabotsy 12 sy alahady 13 septambra 2026 teo ny faha-50 taonan'ny Fiombonan'ny Mpanokatena ao amin'ny Arsidiosezin'i Fianarantsoa... • Manentana amin'ny fanorenana ny fianakaviam-ben'ny olombelona, amin'izao vanim-potoanan'ny saina voatran'olombelona izao, ny Papa Léon XIV... • Miantso ny mpino, handray andraikitra amin'ny fifidianana ny eveka any Bosnie...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...