Hery vaovao ho an'ny Malagasy ny ezaka kely izay vitan'ireo izay tsara sitrapo, miezaka miaina ny didin'Andriamanitra sy manatanteraka izany, voafehin'ny didim-pitiavana. Zava-dehibe ny fanajana ny ray aman-dreny anefa tsy dia hita taratra izany ankehitriny na mba ampahany amin'ny karama voalohany, santa-bokatra ; ny filibana aza no hataon'ireo tanora. Tsapa fa tsy misy mpihevitra firy ny tamberin'andraikitra andrasana amin'ireo izay nomena andraikitra amin'ny sehatra samihafa ; tsy misy intsony ny fifanajana, indrindra ny fanajana ny aina... Fandaharana "hono hoy aho Mompera", eto amin’ny Radio Don Bosco, isaky ny alarobia alina.