Razafimandimby Claude Joseph, nodi-mandry ny alahady 20 septambra 2026, olona niady sy nitolona ho an'ny fandriampahalemana sy ny ady amin'ny kolikoly. Ry kristianina sy mpino hafa manerana ny nosy sy any ivelany, fotoana fifohazana izao ary handinihantena sy hibebahana amin'ny lalan-dratsy, aoka samy hisaina ny didin'Andriamanitra sy ny fitsipika hifampifehezan'ny fiaraha-monina. Manasa ny rehetra mba hanatontosa ny andraikitra manandrify azy fa tsy hifampitsabaka. Tsara ny fifampiresahana manoloana ny olana maro lafy hampandrosoana ny Firenena... Fandaharana "hono hoy aho Mompera", eto amin’ny Radio Don Bosco, isaky ny alarobia alina.

[Miara-dàlana] Zoma 16 ôktôbra 2026

• Namoaka fehin-kevitra momba ny toromarika hiatrehana ireo fanadinam-panjakana, ireo talen-tsekoly katolika eto Madagasikara, nandritra ny fihaonambe tsy ara-potoana natao tao amin'ny Diosezin'Ambositra... • Tontosa ny 13 sy ny 14 ôktôbra 2026 ny fivoriana fanao isan-taona nataon'ny Vaomieran'ny Eveka momba ny Fampanjariana ny Fahamarinana sy ny Fiadanana... • Hotanterahana rahampitso any Turin ny Sorona Masina fanirahana ireo Misionera Salezianina Don Bosco...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...