♦ Miisa 24 ny Eveka amperin'asa mandrafitra ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara. Nohamasinina ho Eveka, omaly, Mgr Randrianifahanana Mamiarisoa Modeste, notendren'i Papa Léon-XIV, ho Eveka mpanampy ho an'ny Diôsezin'Antananarivo... ♦ Nahatratra 5 taonina ny fako voahangona nandritra ny fankalazana ny andro eran-tany ho an'ny fanadiovana ny planeta notanterahana teny Tanjombato sy ny manodidina ho an'ny teto Antananarivo. Azo avadika ho akora vaovao indray ny fako plastika voahangona... ♦ Nitsidika toby famokarana herinaratra teny Ambohimanambola ny Ministry ny Angovo sy ny Akoran'Afo ny faran'ny herinandro teo... 

♦ Baraingo mipetraka ny ho tohin'ny fikasan'i Clémence Rahariniriana sy Alban Rakotoarisoa hanao hetsika eny Ambohijato amin'ny alakamisy izao... ♦ Tsy marina ary tsaho ny feo mandeha hoe misy asidra ny rano any amin'ny faritra atsinanana... ♦ Notanterahina teny amin'ny kaominina Tanjombato nanomboka androany ny fanamarihana nasiônaly ny andro maneran-tany ho an'ny fanadiovana... ♦ Miomana hatrany amin'ny fanafihana ny renivohitra Gaza ny tafika israeliana amin'ity sabotsy ity...

♦ Arahi-maso ara-pitsarana ary miandry ny fotoam-pitsarana amin'ny 30 septambra i Alban Rakotoarisoa sy Clémence Rahariniriana, izay nanaitra ny olom-pirenena manoloana ny delestazy mbola mitohy mandraka ankehitriny... ♦ Maro ireo ambana mahazo ny sokatra an-dranomasina sy ny ahi-dranomasina any amin'ny faritra avaratra andrefan'i Madagasikara ka arovana ao anatin'ny tetik'asa ARO FANO... ♦ Nisy indray ny fanohitohinana sy fanilikilihana ireo mpanao gazety teny Mahamasina, raha toa ka mbola tsy nandrenesana tohiny ilay tranga teny Anosikely... ♦ Nanao fanambaràna amin'ny fisian'ny fiaramanidina manitsaka ny habakabaka Estoniana i Rosia...

• Miompana amin'ny fanofanana ny tanora sy ny mpampianatra, ary ny fanamafisana ny fahaiza-manao, eo amin'ny sehatra teknolojika ny fiaraha-miasa eo amin'ny Minisiteran'ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa, ary ny Huawei Madagascar... • Nahafahan'ireo vondrom-paritra eto Madagasikara nifampizara traikefa sy fahaiza-manao, amin'ny fitantanana ny Faritra sy ny Kaominina misy azy, ilay fikaonan-doha momba ny fiara-miasa mahakasika ny vondrom-paritra teo amin'i Frantsa sy i Madagasikara... • Tsy tokony atao ho sakana amin'ny firosoana amin'ny fifidianana Loholona, ny tsy mbola fahafenoan'ireo mpifidy vaventy izay tokony handray anjara amin'ny fifidianana, hoy ny Ben'ny Tanana iray...

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...