♦ Nanamarina ny fahabangan-toeran'ireo solombavambahoaka roa voatendry hisahana andraikitra hafa eo amin'ny fitantanan-draharaham-panjakàna ny Fitsaràna Avo momba ny Lalam-panorenana... ♦ Fampiharana ny fifanarahana napetraky ny OACI no antony nanakatonana ny Sekoly ambony ENEAL hoy ny Tale Jeneralin'ny Aviation Civile de Madagascar... ♦ Manomboka miverina ireo karazam-biby efa tsy hita teo aloha toy izany koa ny rano ao amin'ny tobin'ala Analatelo any amin'ny Distrikan'i Morombe taorian'ny fanarenana nataon'ny Tetik'asa Mionjo sy Tany Meva...

♦ Ny fisian'ny didy fampisamborana mahakasika ny Kôlônely Patrick Rakotomamonjy no nampidirana azy am-ponja saingy mbola mitohy ny fanadihadiana momba ny tenany hoy ny Ministry ny Fitsaràna... ♦ Nandà ny hifampidinika amin'ny Praiministra Rajaonariso Mamitiana ny fikambanana Gen Z 261, tsy misy ny fifampidinihana azo atao manoloana ny fanaovana herisetra, ny fisamborana ary ny fampihorohoroana hoy ireto farany... ♦ Hiova ho oniversitem-panjakàna an-jotra mampiasa ny tontolo nomerika manomboka izao ny CNTEMAD, hampahafantarina mandritra ny varavarana misokatra ny zoma sy sabotsy izao ny momba izany...

• Hanatanteraka varavarana misokatra ny zoma sy ny sabotsy izao ny CNTEMAD. Hampahafantarina mandritra izany ny fiovan'ity foibe fampianarana ampitain-davitra ity ho oniversitem-panjakana an-jotra mampiasa ny tontolo nomerika. Tontosa androany koa ny sonia fiaraha-miasa eo amin'ny CNTEMAD sy ny Radio Don Bosco... • Miantso ireo fikambanana misy ny tanora Gen Z mijoro ara-dalana ny Praiminisitra lehiben'ny Governemanta, Rajaonarison Mamitiana, hifampidinika amin'ny zoma maraina ho avy izao... • Atao anaty fanarahan-dalana avokoa ny asa sy ny fanapahan-kevitra raisina na tsy misy intsony aza ireo Mpanolotsain'ny Tanana, hoy ny Filohan'ny Delegasiona Manokan'ny Tananan'Antananarivo Renivohitra...

♦ Nandray ny fitantanana ny tanàna an'Antananarivo nanomboka androany antoandro ny PDS Feno Ralambomanana. Fanamby maro no nambarany fa hapetraka amin'ny fitantanana... ♦ Kasaina ho hampiakarina 20% ny vatsim-pianaran'ny mpianatra eny amin'ny anjerimanontolo. Mbola dinihina anefa ny lafiny ara-teknikan'izany fampiakarana izany amin'izao... ♦ Ho tapaka vonjimaika ny Lalam-pirenena faharoa mankany Toamasina anio antoandro, noho ny asa fikojakojàna ny lalana. Nandefa fampitam-baovao momba izany ny ministeran'ny asa vaventy...

[Miara-dàlana] Zoma 10 jolay 2026

• Nankalazaina ny alahady 5 jolay 2026 ny Andron'ny Diosezin'i Mananjary... •Notanterahina nandritra ny telo andro tamin'ny herinandro lasa teo ny Antenimieran'ny tanora tao amin'ny Diosezin'i Port-Bergé... •Maniry ny hisian'ny fifampiresahana amin'ireo andrim-panjakana any Panama ny Fivondronamben'ny Eveka any an-toerana...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...