♦ Noravan'ny filohan'ny Repoblika Andry Rajoelina alina ny governemanta tarihan'ny Praiministra Ntsay Christian... ♦ Manameloka ny fisamborana sy ny fampiasàna herisetra : toy ny nahazo ny naman'izy ireo sy ny olo-tsotra nanao ny fitakiana ny vondrona parlemantera IRMAR, manoloana ny zava-misy ao an-drenivohitra sy any amin'ny Faritra samihafa... ♦ Ampy ny tahirin-tsolika manerana ny nosy, raha ny fanambarana navoakan'ny Office Malgache des Hydrocarbures (OMH) omaly... ♦ Nankasitraka ny drafitra natolotry ny filoha amerikana Donald Trump handaminana ny any Gaza ny filoha frantsay Emmanuel Macron...
• Nanohy ny hetsi-pitakiana indray androany ireo mpianatry ny Oniversiten'Antananarivo. Nahery vaika ny fanapritahan'ny mpitandro ny filaminana azy ireo. Voasambotra nandritra izany ny Solombavam-bahoakan'Arivonimamo Rajerison Antoine... • Miitatra any amin'ny Distrika koa ankehitriny ny hetsiky ny tanora leo delestazy. Nisy ireo voasambotra tao Mandritsara. NAnohy ny hetsika koa ny mpianatry ny Oniversite tao Antsirabe... • Hiteny amin'ny vahoaka Malagasy anio amin'ny 8 ora alina ny Filohan'ny Repoblika Andry Rajoelina...
♦ Mpanao politika sady olom-boafidy fahatelo voasambotra tao anatin'izao hetsika fitakiana ny jiro izao ny solombavambahoaka an'Arivonimamo Rajerison Antoine... ♦ Zo fototra arovan'ny Lalàm-panorenana ny fisitrahana rano fisotro madio sy angovo ahafahana mihary, ny fahafahana maneho hevitra, ary ny fisitrahana ny fiarovana ny aina sy ny fananana avy amin'ny mpitandro filaminana hoy ny fanambaran'ny sendika SECES... ♦ Manambana ny hanao fitokonana ny sendika TRIADE ka manome 48 ora hamalina ireo fitakiny amin'ny hialan'ny Ministry ny Fahasalambahoaka... ♦ Manao hetsi-pitakiana ny tanora any Maroc entina hanatsarana rafi-pampianarana sy fahasalamana...
♦ Niaiky amin'ny fisian'ny fahatarana amin'ny fandraisana andraikitra ny filoha Andry Rajoelina, izay efa eto an-tanindrazana nanomboka ny sabotsy 17 septambra teo... ♦ Tsy mitovy hevitra amin'ny famerenana ny fampianarana ireo sekoly amin'ity alatsinainy 29 septambra 2025 ity... ♦ Mbola hanamafy ny hetsika maity anio alatsinainy 29 septambra 2025, ireo tanora indray mihira "Z" (Gen Z)... ♦ Mampitovy tadindokanga ireo kandida filoham-pirenena avy amin'ny hery fanoherana any Cameroune...
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco