• Nametraka fitoriana fampiatoana sy fanafoanana ny tsy fanomezan-dalana avy amin'ny OMC Antananarivo, ireo Mpanolotsain'ny Tanana avy ao amin'ny fanoherana... • Nilaza ny handray fepetra hentitra ho an'ireo minia mandika lalana ny EMMONAT, rahampitso... • Mitohy ny ezaka amin'ny fiarovana ny ankizy, izay ataon'ny PFSCE...

♦ Tondron'ireo ololm-pirenena ho tompon'antoka voalohany amin'ny olan'ny fahatapahan-jiro sy rano lavareny ny fitondram-panjakàna... ♦ Homamiadana ho an'ny mpitondra sy ny toe-karem-pirenena ny olan'ny famatsiana herinaratra ary tokony hesorina amin'ny toerana ireo mpitantana tsy mahavita ny asany hoy ny solombavambahoaka Fetra Rakotondrasoa... ♦ Tra-tehaky ny pôlisy tao Moramanga ny 3 lahy niaraka tamina taolam-paty milanja 52kg, taolam-paty izay fantatra fa amidy 5 tapitrisa ariary ny iray kilao... ♦ Manangasanga any indray ny hisian'ny fitokonana faobe ao Frantsa manoloana ny resaka teti-bolam-panjakàna any an-toreana...

♦ Tsy nahazo alalana avy amin'ny OMC ny fanatanterahana ilay hetsika "Leo delestazy sy tsy fisian'ny rano" kasain'ny mpanolontsainan'ny tanàna atao eny Ambohijatovo rahampitso alakamisy faha-25 septambra 2025... ♦ Hampiantso filan-kevi-pirenena ny sendikan'ny mpampianatra mpikaroka sy mpikaroka mpampianatra nasiônaly "SECES" nasiônaly, izay tanterahana anio alarobia 24 septambra eny Ankatso... ♦ Lasa sehatra ho an'ny fahalalahana miteny sy maneho hevitra eto Madagasikara ny tambazotran-tserasera, tsy tokony ho avy amin'ny mpitondra araka izany no hiavian'ny fanafitohinana ho an'ny vahoaka hoy ny avy eo anivon'ny Antenimieram-pirenena...

• Mankasitraka ny fanehoan-kevitra an-dalambe ny Solombavam-bahoaka Roland Ratsiraka. Tsy tokony hitarika amin'ny fanimban-javatra kosa izany, hoy ity depiote voafidy tany Toamasina ity. Tsy ny Jirama no olana, hoy izy, fa ny fomba itantanan'ny mpitondra azy... • Nomelohin'ny fikambanan'ny Taxi miasa ao Antananarivo Renivohitra, ny fomba nisamborana ny filohany, Clémence Raharinirina. Miendrika herisetra ny natao ka tsy azo ekena izany, hoy ny FTAR... • Manahy ny amin'ny ho avin'ny tanora sy ny ankizy, ny mpandinika fiaraha-monina Lanto Ratsida, manoloana ny zava-misy ankehitriny. Marefo ara-tsaina sy ara-toekarena ny ankamaroan'ny Malagasy, hoy izy, ka tsy afa-mihetsika intsony manoloana izany...

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...