♦ Nankasitrahan'ny Fivondronamben'ny Eveka ny asa vitan'ny Nonce Apostolique Mgr Thomaz Grysa teto Madagasikara. Nisy ny Eokaristia Masina fisaorana an'Andriamanitra, teny Ambatoroka omaly... ♦ Mangataka ny hamoahana ireo gadra pôlitika sy ny fiverenan'ireo sesitany pôlitika eto Madagasikara ny SADC, nandritry ny fihaonana an-tampony tsy ara-potoana, omaly... ♦ Tsy misy ny fivoahan'ny "laza adina" mialoha ny fotoana any amin'ny tambajotran-tserasera. Efa nohamafisina ireo fiarovana ny laza adina BEPC, hoy ny Ministry ny Fanabeazam-pirenena... ♦ Ekipa miisa 3 no tafakatra amin'ny dingan'ny 1/8e amin'ny Mondial 2026...
♦ Niravona ny disadisa teo amin'ny Filohan'ny Fanavaozana ny Repoblika sy ny Solombavambahoaka voafidy tao amin'ny Distrika Ambovombe-Androy. Nifamitram-pihavanana izy mirahalahy hoy ny Filohan'ny Mpanohitra Milavonjy Philobert... ♦ Hitety Faritra hanazava ny foto-kevitra ijoroany ny fikambanana ZaGasy. Fikambanana mitaky ny hametrahana ny Faritra mizaka tena... ♦ Mihamafy ny fahasahiranan'ny mponina ao Antsiranana noho ny fahatapahan-jireo mandritry ny fotoana maharitra. Nijery ny zava-nisy, tany an-toerana ny Ministry ny Angovo sy ny Ankoran'Afo...
♦ Feno 30 taona ny sabotsy 27 jona teo ny Radio Don Bosco. Tamin'ny alalan'ny Eokaristia Masina notarihan'ny Mompera Bizimana Innocent misahana ny Fikambanana Saleziana Don Bosco aty amin'ny Faritr'i Afrika Atsinanana sy atsimo no nanamarihana izany... ♦ Hivory handinika ny raharahan'i Madagasikara ny eo anivon'ny SADC. Hitarika ity fivoriana tsy ara-potoana ity ny filohan'i Afrika-atsimo, Cyril Ramaphosa, filoha mitarika ankehitriny... ♦ Hiatrika ny fanadinana Bakalorea katôlika manomboka androany ny mpianatra an'alina avy amin'ny sekoly katôlika manerana ny nosy...
♦ Nodimandry tampoka androany maraina tao Fianarantsoa ny Talen'ny Radio Fivé Morombe Mompera Ranamandrainy Caliste, 43 taona izy izao nidaosin'ny fahafatesana izao... ♦ Nahetsiky ny fitondrana hanamora ny fitanterana amin'izao fankalazana ny fetim-pirenena izao ireo fiarabe FOTON miisa 250. Hisy ny fanaraha-maso ataon'ny mpitandro filaminana ireo fiarabe ireo... ♦ Tontosa teny Alarobia ny andiany voalohany amin'ny Symposium momba ny Cybersécurité eto Madagasikara... ♦ Niala tsy ho isan'ny mpikambana ao amin'ny Fitsaràna iraisam-pirenena misahana ny heloka CPI i Niger...
• Tanterahina ao Sambava ny JMJ andiany faha-7 ho an'ny Arsidiosezin'Antsiranana, nanomboka ny alarobia 26 aogositra 2026... • Manatanteraka ny fihaonambe voalohany ny Vovonan'ny Olondehibe ao amin'ny Diosezin'i Farafangana, mandritra ny telo andro... • Notanterahina tao Vatican ny fihaonana iraisam-pirenena, nandinihina manokana ny momba ny loza ateraky ny fikirakirana sy ny fanondranana zava-mahadomelina, nokarakarain'ny Departementa PLAPA ao amin'ny CELAM...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco