♦ Tsy tokony ho tara ny fanatanterahana ny fikaonan-doham-pirenena hoy Andriamatoa Zaza Ramandimbiarison. Tokony ho afaka miteny mifampandinika momba ny ho avin'i Madagasikara ny vahoaka hoy izy... ♦ Mila mampiseho fahavitrihana, fahaiza-manao ireo mpisehatra amin'ny fanatanterahana ny teti-bola hoy ny Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison. Nentaniny handroso hevitra azo tanterahana amin'ny fanatsaràna tokony hatao ireo mpivory omaly... ♦ Miandry ny hivoahan'ny didim-panjakàna fampiharana momba ny fitakiana ireo mpiasan'ny Minisiteran'ny Fanabeazam-pirenena. Hiverina hitokona izy ireo, raha tsy mivoaka izany hoy izy ireo...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 5 ôktôbra 2026

• Notanterahina omaly teo amin'ny kianja Lycée Technique Marie Auxiliatrice Ivato, ny famaranana ny fankalazana ny faha-40 taona nahatongavan'ny Masera Filles de Marie Auxiliatrice teto Madagasikara... • Fankalazana maro sosona no notanterahina tao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana omaly... • Tanim-boaloboka tsy maintsy kolokoloina amim-pahamarinana ny Eglizy, hoy ny Papa Léon XIV omaly, nandritra ny vavaka Angelus...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...