♦ Hitory noho ilay raharaha fitifirana mpiasan'ny La Gastronomie Pizza teny Namontana ity orinasa sy ny fianakavian'ny niharam-boina. Fihoaram-pefy no nataon'ny pôlisy hoy ny mpisolovava azy ireo, omaly... ♦ Nomarihana omaly ny andro maneran-tany ho an'ny mpanabe. Efa hita taratra ny ezaka ataon'ny fitondrana fanavaozana amin'ny fitsinjovana ny fanabeazana hoy ny masoivoho Malagasy eo anivon'ny UNESCO... ♦ Manaitra ny Minisiteran'ny tanora sy ny fanatanjahan-tena amin'ny fandoavana ny vola fanampiana ny Federasiôna ny eo anivon'ny Malagasy Rugby. Namoaka ny alahelony ny filohan'ny federasiôna, omaly...