Zoma 25 desambra 2020 — Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy — Fifaliana no indro ambarako anareo : Mpamonjy no teraka ho anreo anio, dia i Kristy Tompo — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 2, 1-14

Ny antony mahatonga ny fahasimban'ny tontolo iainana : Voalahany ny fanaovana tsinotsinona ny kolontsaina malagasy, raha tsy hiteny afatsy ny ala, ohatra ny "reserve de Bemarivo-Ampasy ; faharoa ny fifindramonina tsy misy fandrindràna, eo koa ny fanapahan-kevitra ambony latabatra avy amin'ny fanjakana mikasika ny fitrandrahana, ary farany dia fambolena mampiasa tavy sy ny fanaovana arina fandrehitra....

♦ Nahazo anarana ilay andro ratsy niforona tao amin'ny ranomasimbe indiana. Tombanana hiditra an-tanety eo anelanelan'ny morontsiraka avatra sy afovoany atsinanan'ny Nosy i Chalane amin'ny alahady maraina izao... ♦ Nirehitra ny tanàna iray tao amin'ny kaominina Andemaka, distrikan'i Vohipeno, trano 100 mahery no ravan'ny afo...

♦ Fiatrehana fety am-pilaminana : hampitomboina isa ireo mpitandro filaminana hetsehina amin'ny fanaraha-maso sy fandrindrana ny fifamoivoizana na amin'ny lalam-pirenena na an-drenivohitra... ♦ Notoloran'ny ministeran'ny fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa mari-pankasitrahana ireo Malagasy mpikaroka nahavitabe tamin'ny sehatr'asa fikarohana teto amintsika...

[Miara-dàlana] Zoma 19 septambra 2025

• Hotanterahana ao amin'ny kianjan'ny Kolejy Masina Misely Amparibe ny alahady 21 septambra 2025, ny fanamasinana ho Eveka an'i Mompera Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Nankalaza ny fanandratana ny Hazofijaliana Masina ny Diosezin'i Port-Bergé... • Mamelona indray ny fanantenana ny famafana ny ranomaso, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fankalazana ny Jobilin'ny Fanalana Alahelo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...