♦ Tafakatra 542 ny isan'ny olona voaporofo fa mitondra ny Coronavirus eto Madagasikara... ♦ Ho hentitra ny fepetra ampiharina amin'ny fivezivezena sy ny fifampikasohan'ny mponina ao Toamasina, indrindra amin'ny toerana mahavory olona sy ny lalam-pirenena hoy ny lehiben'ny EMMONAT... ♦ Mpiara-miombona antoka amin'ny fanabeazana ny ankizy ny sekoly sy ny ray aman-dreny ka tokony hifampitsinjo...
Talata 26 mey 2020 — Herinandro fahafito amin'ny Paka — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 17, 1-11 — Hangataka amin'ny Ray Aho, hoy ny Tompo, ka homeny Mpanafaka alahelo hafa ianareo, izay ho eo aminareo mandrakariva.
♦ Nahitana tranga Coronavirus any Tsiroanomandidy araka ny tatitry ny CCO Covid-19 androany... ♦ Mbola tsy nampidirina ho isan'ny namoy ny ainy noho ny Covid-19 ilay dokotera namoy ny ainy tany Toamasina fa mbola mandeha ny fanadihadiana ny amin'ny tena nahafaty azy marina... ♦ Nisehoana fifampitifirana tamin'ny tolakandro teo tany Mangarano tany Toamasina...
♦ Hanara-maso ny fanampiana hiadiana amin'ny valan'aretina misy ankehitriny miainga avy amin'ny loharano niaviany ny firaisamonim-pirenena mivondrona ao amin'ny OSC eto Madagasikara... ♦ Amperin'asa ao amin'ny distrikan'i Moramanga, hanampy tosika ny mpitsabo, ireo andiana mpitsabo avy amin'ny Foloalindahy Malagasy... ♦ Niato nanomboka androany ny tsena alatsinainy sy alakamisy ao Manjakandriana, hisorohana ny mety ho fiaritahan'ny tsimok'aretina Coronavirus...
• Nankahery ny vahoaka maneran-tany, hampanjaka ny fiadanana sy ny fandriam-pahalemana, ny Papa Léon XIV, tamin'ny fisehoany voalohany teo amin'ny Bazilikan'i Masindahy Piera ny 8 mey 2025 tamin'ny 7 ora sy 25 minitra, ora tany Roma... • Manentana ny olon-dehibe rehetra manerana an'i Madagasikara ny avy eo anivon'ny Vovonam-pirenena Katolikan'ny Lehibe, mba tsy hiandry farany vao hisoratra anarana, ho an'izay hiatrika ny JNA any Morondava... • Fenofeno ny fandaharam-potoanan'ny Papa Léon XIV, manomboka androany zoma 9 mey hatramin'ny sabotsy 24 mey 2025...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco