Fanamby ho an'ny Radio Don Bosco, hatramin'ny nisiany tamin'ny 1996, ny hiara-dia amin'ny olona amin'ny toerana rehetra misy azy. Onjam-peo naorin'ny salezianin'i Don Bosco, manana tanjona ny hitory ny Vaovao mahafaly sy hanabe ny vahoaka malagasy, indrindra ny tanora.

Nisedra olana mafimafy indray ny mpamokatra ronono nandritra ny fikatonan'ny faritra samihafa tamin'ity taona ity noho ny fampiharana ny fepetra tsy iparitahan'ny valan'aretina. Manomboka mivaha kosa izany amin'izao fotoana isokafan'ny faritra izao... 

♦ Vitan'ilay mpanao gazety tera-tany vahiny izay miasa eto amintsika, avy amin'ny fahitalavitra iraisam-pirenena iray, ny nandeha tany atsimo, nanakarama ireo olona tratry ny kere, nalaina sary, nampihinanina hoditra fanao kiraro, ho fanasoketana ny ftiondram-panjakana malagasy ho tsy miraharaha ireo olona tratry ny kere...

Miankina betsaka amin'ny fanabeazana avy amin'ny ray aman-dreny no manefy ny fifandraisana eo amin'ny zanaka "izy samy izy" ka izay azony "soatoavina" ny ho aviny. Mba isorohana ny ady lova sy ny disadisa dia tefena isan'andro ny "fifankahazoana anaty, fahamarinana, fifanajana, soatoavina". Mipetraka ho ray aman-dreny : mitia sy miahy ny zanaka hatrany ireo lehibe sy ny zoky. Mifanaja anaty fahasamihafana kosa ny samy zanaka. Omena sehatra hitady vahaolana ny samy zanaka, ary mijanona ho "mpanamora ny fifanakalozan-kevitra ny lehibe fa tsy miandany... 

[Miara-dàlana] Zoma 23 mey 2025

• Hotanterahana ny 16 sy 17 aogositra 2025 ao amin'ny ESCA Antanimena, ny taon-jobily ho an'ny olom-boatokana... • Ny alahady 25 mey 2025 no hiombonan'ny diosezin'Antananarivo manotolo amin'ny fanohanana ny Seminera Zandriny Ambohipo... • Hitarika ny Consistoire voalohany amin'ny maha Papa azy, ny 13 jona 2025 ao amin'ny Lapa Apostolikan'i Vatican, ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...