Talata 20 jolay 2021 — Herinandro fahenina ambin'ny folo mandavantaona — Raha misy tia Ahy, dia hitandrina ny teniko izy, ka ho tian’ny Raiko, ary hankao aminy Izahay ka honina ao aminy — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 12, 46-50
♦ Nahitana zaza rano tsy nisy afa-tsy loha sy tanana, androany, tao amin'ny dabam-pako iray teny amin'ny fokontany Ambohitrakely... ♦ Tontosa androany, ny andro voalohany amin'ny fanadinam-panjakana BEPC. Irosoana avy hatrany ny fitsarana ny laza adina efa vita, ary hafainganina ny famoahana ny voka-panadianna, hoy ny Minisitra mpiahy...
♦ Nankahery ireo pretra Karma vao nohamasinina omaly, i Mgr Rosario Vella, mba tsy ho kivy manoloana ireo fakam-panahy amin'ny maha olombelona... ♦ Nanentana ny fiaraha-miasan'ny lahika sy ny pretra, ny arsevekan'Antsiranana, Mgr Benjamin Marc Ramaroson, nandritra ny fanamasinana ireo pretra efatra mirahalahy, tany Sambava... ♦ Nanao antso avo ho an'ny tanora, ny Kardinaly Tsarahazana Désiré, mba hanome lanja an'Andriamanitra sy ho modely ho amin'ny fiainana, nandritra ny fanamasinana ho pretra ireo tanora efatra mirahalahy avy amin'ny fikambanana Oblats de Marie Immaculée, tao Toamasina...
Tamin’izany andro izany, nony efa nampody ny vahoaka i Jesoa dia mba nody, ary nanatona Azy ny mpianany nanao hoe: "Lazao anay ny hevitry ny fanoharana ny amin’ny ahi-dratsy." Ary i Jesoa namaly ka nilaza taminy hoe: "Ny mpamafy ny voa tsara dia ny Zanak’Olona; ny tanimbary dia izao tontolo izao; ny voa tsara dia ny zanaky ny Fanjakana; ny ahi-dratsy dia ny zanak’ilay Ratsy; ny fahavalo izay namafy azy, dia ny demony; ny taom-pijinjana, dia ny fahataperan’izao tontolo izao; ary ny mpijinja, dia ny Anjely. Tahaka ny anangonana ny ahi-dratsy sy andorana azy amin’ny afo no hatao raha mby amin’ny fahataperan’izao tontolo izao. Haniraka ny Anjeliny ny Zanak’Olona, ary ireo dia hanangona sy hamoaka ny mpanafintohina sy ny mpanao ratsy rehetra hiala amin’ny Fanjakany, ka hanipy azy ao amin’ny memy mirehitra: any no hisy fitomaniana sy fikitroha-nify. Amin’izany kosa ny olo-marina dia hamirapiratra tahaka ny masoandro any amin’ny Fanjakan’ny Rainy. Aoka hihaino izay manan-tsofina hihainoana."
• Fiombonam-bavaka sy fiaraha-mientana amin'ny fanohanana sy fanampiana ny seminera no fandaharam-potoana isaky ny fetim-bokatry ny Seminera Zandriny Ambohipo... • Zanaky ny Fiangonana miisa 220 mianadahy no nandray ny Sakramentan'ny Fankaherezana omaly, namaranana ny fitsidihana pastoraly tao amin'ny Distrikan'Ambohimena, Diosezin'Antsirabe... • Nosokafana tamin'ny sabotsy teo teny amin'ny EKAR Masimbavy Anne Anjomakely, ny faha-10 taonan'ny Ansiklika Laudato Si...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco