Tamin’izany andro izany, i Jesoa lasa tany an-tendrombohitra mba hivavaka, ka nivavaka tamin’Andriamanitra nandritra ny alina. Nony maraina ny andro dia niantso ny mpianany Izy ka nifidy roa ambin’ny folo lahy tamin’izy ireo, izay nomeny anarana hoe Apôstôly: dia i Simôna izay nataony hoe i Piera, sy i Andre rahalahiny, i Jakôba sy i Joany, i Filipo sy i Bartelemy, i Matio sy i Tômà, i Jakôba zanak’i Alfe, sy i Simôna izay atao hoe Zelôty, ary i Jodà rahalahin’i Jakôba, sy i Jodasy Iskariôta ilay namadika.

Dia niara-nidina tamin’izy ireo Izy ka nankeo amin’ny tany lemaka izay nijanonan’ny mpianany maro sy ny vahoaka betsaka avy tany Jodea rehetra sy Jerosalema, ary ny tanin’i Tira sy i Sidôna amoron-tsiraka, izay tonga teo mba hihaino Azy, sy mba hositraniny amin’ny aretiny: dia nositraniny izay nampijalian’ny fanahy maloto, ary nitady hanendry Azy ny vahoaka rehetra, satria nisy hery niala taminy ka nahasitrana azy rehetra.

Indray sabata hafa koa i Jesoa, dia niditra tao amin’ny sinagôga, ka nampianatra, ary nisy lehilahy anankiray maty tanana ankavanana teo. Tamin’izay dia nitsikilo Azy ny mpanora-dalàna sy ny Farisianina na hanasitrana amin’ny andro sabata Izy na tsia, mba hahitany antony hiampangana Azy. Fa fantatr’i Jesoa kosa ny hevitr’izy ireo, ka hoy Izy tamin’ilay maty tanana: "Mitsangàna ka mijoroa etsy afovoany." Dia nitsangana ilay io ka nijoro, ary hoy i Jesoa tamin’izy ireo: "Manontany anareo Aho, inona no mety hatao amin’ny sabata, ny manao soa sa ny manao ratsy; ny mamonjy aina sa ny manala aina?" Dia noherikerehiny nojerena daholo izy rehetra teo ka hoy Izy tamin-dralehilahy: "Ahinjiro ny tananao." Dia nahinjiny ka sitrana terý ny tanany. Fa iretsy kosa safotry ny hatezerana, ka nioko amin’izay hanaovany an’i Jesoa.

♦ Mety hotanterahana tsy hatrehan'ny mpijery ihany ny lalaon'ny Barea, ny alakamisy hariva izao. Namoaka fanambarana omaly, ny CAF. Tsy misy mpijery avokoa ny andro voalohan'ny lalao rehetra amin'ny fifanitsanana Mondial 2022... ♦ Nitondra valin-kafatra tamin'ny alalan'ny fanambarana ny teo anivon'ny Federasiona Malagasy Baolina kitra, manoloana ny kabary nataon'ny Filoham-pirenena momba ny lalaon'ny Barea, ka niteraka resabe nanomboka omaly antoandro...

Vokatry ny fifampizarana eo amin'ny mpihaino dia mamohafoha ao amin'ny mpihaino ireo trangam-piainana nandalovany, ny faharenesana ny tantaram-piainana ataon'ilay miteny ka manasa ny mpihaino hanova ny fomba fijeriny sy ny fihetsiny. Katesizy momba ny fifampizarana andram-piainana, iarahana amin'i P. Hermann Solonomenjanahary.

[Miara-dàlana] Zoma 30 mey 2025

• Notanterahana androany ny Andron'ny Sekoly Katolika teto amin'ny Diosezin'Antananarivo, ka Eokaristia Masina notarihan'ny Arseveka no nanombohana izany... • Notanterahana ny 27 hatramin'ny 29 mey 2025, ny fihaonan'ireo mpanabe eo anivon'ny seminera, tao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana... • Antso voalohany ho antsika ny ho olombelona. Io no fampianarana nentin'ny Papa Léon XIV, nandritra ny Audience générale, ny alarobia teo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...