♦ Handatsahana orana artifisialy mandritra ny efatra andro ny eto Antananarivo sy ny manodidina ary ny any Andekaleka, manomboka androany. Fepetra noraisina hanampiana ny famatsiana rano sy jiro izay misedra olana ankehitriny... ♦ Hiampita eny amin'ny Antenimierandoholona indray ilay lalana mifehy ny teti-bolam-panjakana 2022, tao aorian'ny teny Tsimbazaza. Ny 9 desambra izao no hiroso amin'ny fankatoavana izany, anaty fivoriana itambaram-be ireo Loholona...

[Miara-dàlana] Zoma 30 mey 2025

• Notanterahana androany ny Andron'ny Sekoly Katolika teto amin'ny Diosezin'Antananarivo, ka Eokaristia Masina notarihan'ny Arseveka no nanombohana izany... • Notanterahana ny 27 hatramin'ny 29 mey 2025, ny fihaonan'ireo mpanabe eo anivon'ny seminera, tao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana... • Antso voalohany ho antsika ny ho olombelona. Io no fampianarana nentin'ny Papa Léon XIV, nandritra ny Audience générale, ny alarobia teo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...