♦ Tafapetraka androany ny Faritra faha-23 eto Madagasikara. Manatrika ny lanonana any Mananjary ny filohan'ny Repoblika sy ny Praiministra... ♦ Nihaona nandritra ny ora efatra androany ny Evekan'i Morondava sy ny lehiben'ny fampanoavana ao amin'ny fitsaràna ambaratonga voalohany ao Morondava. Resaka manodidina ny asan'ny fitsaràna sy ny kolikoly... ♦ Nanoratra taratasy tatsy Afrika atsimo mba hitsaràna ny raharaha volamena 73 kilao, tatra tany, ny AVG...

Ilaina ny fanokanana fotoana ho an'ny fianankaviana. Ny fotoana manokana, eo amin'ny mpivady, eo amin'ny mpianaka dia endriky ny fanehoam-pitiavana. Io fanokanana fotoana io dia mampifanakaiky am-po, sy hanova tanteraka ny rivo-piaraha-monina. Fandraharana "Mba ho vanona" iarahana amin'i Jeneraly Désiré Philippe Ramakavelo.

♦ Hilalao any an-tanin'olona ny Barean'i Madagasikara anio tolakandro. Lalao fifanitsanana isam-bondrona ahafahana mandray anjara amin'ny amboara eran-tany 2022, hihaonany amin'I RDC... ♦ Iray andro mialohan'ny lalao hataon'ny Barea any RDC, misavoritaka ny  FMF. Natsahatra tamin'ny asa maha filoha azy Andriamatoa Arizaka Rabekoto Raoul... ♦ Asa fanaovan-gazety : hametraka rafitra ara-panjakàna hiahy ny asa fanaovan-gazety ireo tsy mankasitraka ny fifidianana...

Isan'ny antso ihany koa ny fanambadiana. Misy dingana miisa telo : ara-pianankaviana, ara-panjakàna, ary ara-pinoana. Miteraka  adidy sy andraikitra ny fanambadiana sy ny maha kristiana. Katesizy momba ny fahaizana mihaino ny antso, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.

[Miara-dàlana] Zoma 30 mey 2025

• Notanterahana androany ny Andron'ny Sekoly Katolika teto amin'ny Diosezin'Antananarivo, ka Eokaristia Masina notarihan'ny Arseveka no nanombohana izany... • Notanterahana ny 27 hatramin'ny 29 mey 2025, ny fihaonan'ireo mpanabe eo anivon'ny seminera, tao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana... • Antso voalohany ho antsika ny ho olombelona. Io no fampianarana nentin'ny Papa Léon XIV, nandritra ny Audience générale, ny alarobia teo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...