Ny fotoana manokana dia tena manova fiainana na eo amin'ny mpivady na eo amin'ny mpianaka. Mitondra fiadanan-tsaina, fiadanam-po, fiadanam-panahy. Fehiny : mahasambatra. Fandraharana "Mba ho vanona" iarahana amin'i Jeneraly Désiré Philippe Ramakavelo.

♦ Misokatra ho an'ny Eraopa ny faritry ny habakabak'i Madagasikara, hanomboka amin'ny 06 novambra 2021 ; fa ho an'ny aty amin'ny ranomasimbe indiana dia hanomboka ny 23 oktobra izao izao... ♦ Nahatsiaro ny faha efa-taona nahafatesan'i Pr Zafy albert, filoham-pirenena teo aloha ny mpiara-dia taminy, omaly... ♦ Tsy liana ary tsy resy lahatra amin'ny vokatsoa azo avy amin'ny fandalinana ny literatiora malagasy sy ny boky ny ankizy malagasy. Nanokana iray volana hanomezan-danja ny boky ny librairie Antso...

Antso ny maha pretra na relijiozy, ilana fahaizana mihaino izany indrindra rehefa misy famantarana. Manantona ny pretra tompom-paritany no dingana akaiky indrindra avy eo misafidy ny fikambanana mba hahafahana manamasin-tena. Katesizy momba ny fahaizana mihaino ny antso, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.

Alakamisy 14 oktobra 2021 — Herinandro favalo amby roapolo mandavantaona — Ampianaro ahy, ry Tompo ny lalanao, ary tariho ho amin’ny lala-mahitsy aho — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 11, 47-54

[Miara-dàlana] Zoma 30 mey 2025

• Notanterahana androany ny Andron'ny Sekoly Katolika teto amin'ny Diosezin'Antananarivo, ka Eokaristia Masina notarihan'ny Arseveka no nanombohana izany... • Notanterahana ny 27 hatramin'ny 29 mey 2025, ny fihaonan'ireo mpanabe eo anivon'ny seminera, tao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana... • Antso voalohany ho antsika ny ho olombelona. Io no fampianarana nentin'ny Papa Léon XIV, nandritra ny Audience générale, ny alarobia teo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...