♦ Mihamanakaiky an'i Madagasikara ilay andro ratsy any atsinanan'i Cap Masoala. Tombanana hiditra an-tanety rahampitso amin'ny tanjaka " dépression tropicale" izy hoy ny Météo... ♦ Manamafy ny fitakiana Ministera manokana ho an'ny kolontsaina ny Fivondronamben'ireo fikambanana mpandala ny fomban-drazana eto Madagasikara. Tokony sarahina amin'ny Serasera hoy izy ireo, ny resaka Kolontsaina...  ♦ Ny antoandro teo no nosokafana tamin'ny fambolen-kazo any amin'ny farihin'Andraikiba ny fanamarihana nasiônaly ny andro maneran-tany ho an'ny vehivavy any Antsirabe...

♦ Efa nivoaka ny hira fanevan'ny JMJ-Mada andiany faha-10, hotanterahina any Antsirabe. Efa nahazo ny fankatoavana avy amin'ny Fivondronamben'ny Eveka...   ♦ Manomboka mihena ireo trangan'aretina Covid-19 eto Madagasikara. 132 isa ireo tranga vaovao tao anatin'ny herinandro hoy ny MinSanté tamin'ny sabotsy...   ♦ Voafidy ho filoha vaovaon'ny Federasiôna Malagasin'ny Kick Boxing ny Jeneraly Lylison René de Rolland, latsabato tontosa teny amin'ny ANS Ampefiloha...

Ataon'i Md Paoly kisarisary ny famafazana sy ny fijinjana izay ohatra tena tian'i Jesoa ; fotoana tsara no resahin'i Md Paoly amintsika, fotoana tsara hamafazana voa hiandrasana vokatra, tsy inona io fa ny karemy. Andriamanitra dia tsy mitsahatra mamafy soa ho antsika, fa isika koa dia voaantso hamaly fanomezan'Andriamanitra. Katesizy momba ny fanaovan-tsoa, iarahana amin'i P. Fenohasina Dorysse.

Herinandro voalohany amin'ny karemy. Fanamafisana ny vavaka sy ny finoana mba hanana faharetana amin'ny fihavaozam-panahy. Tohizantsika hatrany ilay fandinihana masina efa natombontsika hatramin’ny alarobian’ny lavenona teo. Ka amin’ity herinandro ity isika dia handalina bebe kokoa ny fibebahana sy izay fomba anehoantsika azy eo amin’ny finoana sy ny fivavahana. Iarahana amin'i P. Aimé Olivier Mahatsangandrainy,Sdb

[Miara-dàlana] Alatsinainy 6 oktobra 2025

• Namaly ny antso avo nataon'ny Papa Léon XIV ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, ka nanentana ny vahoaka kristianina rehetra hivavaka sy hifady haninana ho an'ny fandriampahalemana eto Madagasikara sy maneran-tany, ny sabotsy 11 oktobra 2025... • Nanao antso avo hampitsaharana ny ady any Gaza sy nitalaho ny mba hisian'ny fandriampahalemana marina sy maharitra, ny Papa Léon XIV, mialoha ny vavaka Angelus omaly... • Vita sonia ny sabotsy teo ny Fanentanana Apostolika voalohany, nosoratan'ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...