♦ Niakatra fitsarana androany ireo mpiasan'ny CNaPS sivy mianadahy voaenjika ho namoaka vaovao momba ny fanodikodinam-bola teo anivon'ny CNaPS. Hivoaka amin'ny 28 marsa ny didim-pitsarana... ♦ Tsy tana ihany koa fa nanao hetsi-pitakiana androany, ny mpianatry ny Oniversiten'i Fianarantsoa sy Mahajanga, mitaky ny handoavana ny vatsim-pianarana... ♦ Miova isan-kerinandro kosa ny vidin'entana raha ny fanadihadiana natao tamin'ireo mpanjifa...

♦ Manentana ny kristianina rehetra himbom-bavaka amin'ny Papa François, amin'ny 25 marsa 2022, i Mgr Marie Fabien Raharilamboniaina, Filohan'ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara... ♦ Hitarika ny fotoam-bavaka hanokanana an'i Russie sy i Ukraine amin'ny Fo Madion'i Maria, ao amin'ny EKAR Masindahy François-Xavier Antanimena, amin'ny 25 marsa 2022, i Mgr Paolo Rocco Gualtieri... ♦ Namoaka "Constitution Apostolique" vaovao : "Praedicate Evangelium", ho fanavaozana ny drafitry ny Curie Romaine ny Papa François...

♦ Eny amin'ny Ekar Antanimena no hanaovana ny fiombonam-bavaka ho an'ny diôsezy Antananarivo, araka ny fanentanana nataon'ny papa François, ho an'ny fiadanana sy  ny fandriampahalemana... ♦ Tombon-dahiny lehibe ho an'ny antoko ADN ny maha mpikambana anatin'ny antoko liberaly eran'izao tontolo izao azy, satria tena misy vokany lehibe amin'ny fampandosoana ny firenena izany... ♦ Namoy mpanakanto indray ny Malagasy, nody mandry tamin'ny sabotsy teo i Kellly Rajerison, nalaza tamin'ny gadona Rock sy ny Blues...

♦ Miantso ny kristiana rehetra eran-tany ny Papa François, amin'ny zoma 25 marsa 2022, mba hivavaka hanankinana amin'ny fo madion'i Maria ny ady eo amin'ny Rosiana sy  Iokraina mba hitsahatra... ♦ Hivory maika rahampitso ireo rehetra voakasiky ny resaka fizahan-tany, hanatsarana ny zotra fizahan-tany ao amin'ny Parc Isalo... ♦ Nankasitraka ireo mpanjono tany Mahambo, namonjy ny SG miadidy ny zandarimariam-pirenena, ary nanondrotra galona ireo velon'aina, ny filoham-pirenena...

[Miara-dàlana] Zoma 20 jona 2025

• Hotanterahana ny 16 sy 17 aogositra 2025 ny Jobily Nasionaly ho an'ny olom-boatokana... • Ny 22 hatramin'ny 24 aogositra 2025 no hanatanterahana ny “Lasy Fanantenana” ho an'ny Fanilon'i Madagasikara... • Nasandratra ho eo amin'ny laharan'ny Olontsambatra tamin'ny alahady 15 jona 2025 i Floribert Bwana Chui, tanora Congolais maty martiry teo amin'ny faha-26 taonany...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...