Tsy ny firehan-kevitra no ampy hamaly ny fihantsian'ireto fanamby ireto : ny fiitaran'ny tanàna, ny tontolom-piainan'ny tanora, ny toerana misy ny vehivavy, ny tsy fananana asa, ny fifindra-monina, ny herin'ny fitaovam-pifandraisan'ny mpiara-belona. Feno 80 taona ny "rerum novarum" tamin'ny 1971, ary teo koa ny firoborobon'ny indostria. Katesizy momba ny pastoraly sôsialy, iarahana amin'i P. Randrianomenjatovo Fenohasina Dorysse.

Alarobia 23 marsa 2022 — Herinandro fahatelo amin'ny Karemy — Izay hanatanteraka sy hampianatra ny didy dia ho lehibe amin’ny Fanjakan’ny lanitra — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 5, 17-19

♦ Mafampana ny fitakian'ny mpianatra eny amin'ireo Oniversite eto amintsika. Olana amin'ny fahataran'ny fisoratana anarana no mahatara ny vatsim-pianarana, hoy ny Minisiteran'ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana ara-tsiansa... ♦ Nampahafantarina androany ny tetik'asa vaovao, tohana ho an'ny fanavaozana sy ny fampiasana ny haitao ara-kajy mirindra, eo amin'ny rafitry ny famokarana ara-tsakafo. Tetik'asan'ny FAO, iaraha-manatanteraka amin'ny Minisiteran'ny Fambolena sy ny Fiompiana...

♦ Solombavambahoaka am-perinasa, ministra teo aloha, miampy karana telo amin'izao no namoahana didy tsy fahafaha-mivoaka an'i Madagasikara. Samy voarohirohy amin'ny fanondranana harem-pirenena ireo... ♦ Mandrahona hitokona indray iseo Paramed eny anivon'ny Hôpitaly. TSy mbola naharay ny valin-kahasasarana avy amin'ny fanjakàna nandritra ny covid-19 tamin'ny taona 2020... ♦ Mitaky ny hampiharana ny fanalefahan-ketra ho azy ireo ny sendikàn'ny mpanao asa tanana, izay efa voafaritry ny lalàna, anefa mbola mijanona ho fampanantenana hatramin'izao... 

[Miara-dàlana] Zoma 20 jona 2025

• Hotanterahana ny 16 sy 17 aogositra 2025 ny Jobily Nasionaly ho an'ny olom-boatokana... • Ny 22 hatramin'ny 24 aogositra 2025 no hanatanterahana ny “Lasy Fanantenana” ho an'ny Fanilon'i Madagasikara... • Nasandratra ho eo amin'ny laharan'ny Olontsambatra tamin'ny alahady 15 jona 2025 i Floribert Bwana Chui, tanora Congolais maty martiry teo amin'ny faha-26 taonany...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...