02 aogositra — Teraka tao Paris ny 12 aogositra 1858 i Auguste, Polonais ny rainy, Władysław no anarany, printsy izy io, ary ny reniny kosa Espagnole, Maria Amparo no anarany, zanaky ny mpanjakavavin’i Espagne Maria Christina.

Masina ny fanambadiana fa tsy kilalao. Manana ny hajany ambony loatra ka mendrika, tsy natao hosihosena amin'ny tany. Hoy ny Soratra Masina hoe : Aoka hanan-kaja amin'ny olona rehetra ny fanambadiana, ary aoka tsy ho voaloto ny fandrian'ny mpivady, fa hoheloin'Andriamanitra ny mpijangajanga sy ny mpaka vadin'olona. katesizy momba ny fanambadiana, iarahana amin'i P. Rarivoson Aurélien.

Talata 2 aogositra 2022 — Herinandro fahavalo ambin'ny folo mandavantaona — Ampahafantaro ny lalan’ny lahatrao aho, mba hisaintsainako ny asanao mahagaga — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 14, 22-36

♦ Ho fanavaozana ny rafi-pampianarana eto Madagasikara sy ho fanomanana ny fihaonam-be an-tampony izay hatao any New York amin'ny septambra izao, dia misy fikaonan-doham-pirenena mahakasika ny fanabeazana sy ny fampianarana, izay tanterahana etsy amin'ny CCI Ivato, nanomboka androany... ♦ Tokony hovahana haingana ny olana mahatonga ny fitokonan'ny mpiasan'ny lalamby FCE, fa mijaly ny mponina any amin'ny distrikan'Ikongo... ♦ Manodidina ny 400 ireo mpanao gazety nahafeno antontan-taratasy sy ny fepetra notakiana, hahazoana ny karatra maha matihanina...

[Miara-dàlana] Alakamisy 26 jona 2025

Notendren’ny Papa Léon faha-14 ho eveka mpanampy ho an’ny Arsidiosezin’Antananarivo, androany 26 jona 2025, i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana, izay Vikera jeneraly eto Antananarivo.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...