Talata 2 aogositra 2022 — Herinandro fahavalo ambin'ny folo mandavantaona — Ampahafantaro ny lalan’ny lahatrao aho, mba hisaintsainako ny asanao mahagaga — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 14, 22-36

Efa ela ireto mpianatr’i Jesoa no nanaraka Azy isan’andro, nefa mbola hita eto ny tsy fahatokisan’izy ireo Azy tanteraka, ary mbola nisalasala rehefa nahita an’i Jesoa nandeha teny ambony ranomasina. Na dia nanome toky azy ireo àry, i Jesoa : "matokia, fa izaho ihany aza matohotra", dia mbola be ahiahy ihany, hita taratra tamin’ny valintenin’i Piera izany : "raha ianao àry Tompo, asaovy hankeny aminao eny ambony rano aho." Nefa rehefa tao anatin’ny tena fahasarotana izy dia niantso mafy an’i Jesoa hoe : "Tompo ô, vonjeo aho".

Mila fanampiana avy amin’i Jesoa mandrakariva ny fiainanao, ny fiainako. Maro ireo fakam-panahy mampanahirana antsika ny miady aminy, toy ny rivotra manosika hianjera. Aza misalasala isika miantso ny fanampian’i Kristy, tahaka ny nataon’i Piera: "Tompo ô, vonjeo aho". Mba hahafahantsika miady sy mandresy ao anatin’ireo karazana fakam-panahy mety hampilentika antsika any amin’ny fahaverezana dia matokia Azy mandrakariva, miombona Aminy, izay miombona aminy no handresy sy ho voavonjy eo amin’ny fiainana. Tsy miady irery isika fa eo mandrakariva Izy rehefa miombona Aminy ao anatin’ny vavaka isika. Vonjin’izay mitoky Aminy ny Tompo.

Miara-dàlana] Alatsianiny 29 septambra 2025

• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...