♦ Notendren'ny lehiben'ny Fikambanana Saleziana maneran-tany, Mompera Fabio ATTARD, ho Lehiben'ny Fikambanana Saleziana eto Madagasikara sy ny Nosy Maurice i Mompera Rakotondranaivo Harisoa José Gaston... ♦ Nihintsana teo amin'ny ankatoky ny famaranana (démi-final" ny ekipam-pirenena Malagasy tamin'ilay COSAFA CUP 2025. Lavon'i Angola tamin'ny isa 4 no ho 1 ny Barea omaly...  ♦ Notanterahana omaly teny amin'ny Lycée Moderne Ampefiloha ny fanokafana ny fankalazana ny andron'ny tambazotry ny tanora mandala ny fahitsiana sy ny fahamarinana andiany faha-13...

14 jona — Anarana fanta-daza ao amin’ny Baiboly ny hoe Elisée na Elisea arakaraka ny dikan-teny izay misy eo amintsika raha mamaky ny Bokin’ny Mpanjaka isika. Zanak’i Safata mpaminanin’ny lalàna, mpianatra sady mpandimby an’i Elie mpaminany.

Na inona na inona fivoriana manotrona ny Alitara ka mifanaraka amin'ny fandraharahàna masin'ny Eveka dia fambaran'ilay fitiavana sy firaisan'ny Vatana izay hany azo anantenana famonjena. Ao amin'ny Eokaristia no anisan'ny sehatra hitoriana ny Vaovao Mahafaly, hanangonana ny mpino hankalazana ny Misterin'ny fanasan'ny Tompo, ireo rehetra miombona amin'izany dia atambatry ny vatan'i Jesoa... Katesizy momba ny konsily vatikana-II, rafitra, iarahana amin'i P. Justolat Rafaralahimboa.

• Notendren'ny Lehiben'ny Fikambanana Saleziana maneran-tany, Mompera Fabio Attard, ho Lehiben'ny Fikambanana Saleziana eto Madagasikara sy ny Nosy Maurice, i Mompera Rakotondranaivo Harisoa José Gaston... • Noraisina androany teny amin'ny Café de la Gare Soarano, izy 13 mianadahy mpilatsaka an-tsitrapo, teratany Malagasy mila ravinahitra any ivelany, izay handray anjara amin'ny fandaharan'asa Loharano andiany faharoa... • Notanterahana androany teny amin'ny Lycée Moderne Ampefiloha, ny fanokafana ny fankalazana ny andron'ny tambajotran'ny tanora mandala ny fahitsiana sy ny fahamarinana, andiany faha-13...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 8 septambra 2025

• Mibanjina, mitandrina ary mahafoy: izay no hafatra napetrak'i Mompera Rakotondranaivo José Gaston, Provinsialin'ny Fikambanana Salezian'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maurice, nandritra ny voady voalohany nataon'ireo frera miisa 13 mirahalahy avy eo anivon'ity fikambanana ity... • Notanterahana tao anatin'ny efatra andro ary nifarana omaly, ny “Festival de la diaconie de la beauté” sy ny “Foire du Diocèse vert”, tany amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...