Ny fandraisana andraikitra sy fanomezan-danja ny tsirairay eo amin'ny fianakaviana sy ny mpiara-monina dia anisan'ny fanoitra iray entina hampivoarana ny fiainana andavan'andro. Ny fahasamihafana dia isan'ny mikolokolo ny fifankatiavan'ny mpivady : izay tsy mahay sobika mahay fatam-bary" ary ny firaisan-kina no hery. Fandaharana "miaina sy mitia" iarahana amin'ny Ivon-toerana Arrupe Madagasikara sy ny vaomieran'ny Eveka misahana ny Fianakaviana.
♦ Voafonja iray mamita sazy any Mandoto, ny iray tamin'ireo olona 54 voatana noho ilay fikomiana nitranga tao Ankazomiriotra, tamin'ny sabotsy teo, hoy ny Lehiben'ny Fampanoavana ao Antsirabe... ♦ Tsy raikitra indray ny hetsika saika hataon'ny Antenimieran'ny Ray aman-dreny ara-drazana sy Foko Malagasy, eny Mahamasina ho an'ny rahampitso sabotsy... ♦ Niampy telo indray ireo faritra miroso mankany amin'ny tany hay, na voakasiky ny fiangazanana eto Madagasikara...
Ny fisotroana toaka be sy tsy tapaka dia mampitombo ny mety hisian'ny aretina maro toy ny homamiadana, aretim-po. Ny toaka dia miteraka poizina lehibe ho an'ny fo ary mampiakatra ny tosi-drà ka mety hiteraka aretina hafa. Ny fisotroana toaka dia miteraka tebiteby lava, lasa ketraketraka, mikorontana ny fitondran-tena ka lasa tsy mahafehy tena intsony... Katesizy momba ny fandraisana zava-mahadomelina, iarahana amin'i P. Avellin Ravelonanosy.
23 febroary 2024 — Zoma, Herinandro Voalohany amin'ny Karemy — Tsy ny hahafatesan’ny ratsy fanahy no sitrako fa ny hialan’ny ratsy fanahy amin’ny lalany ka ho velona izy — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 5, 20-26)
• Mibanjina, mitandrina ary mahafoy: izay no hafatra napetrak'i Mompera Rakotondranaivo José Gaston, Provinsialin'ny Fikambanana Salezian'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maurice, nandritra ny voady voalohany nataon'ireo frera miisa 13 mirahalahy avy eo anivon'ity fikambanana ity... • Notanterahana tao anatin'ny efatra andro ary nifarana omaly, ny “Festival de la diaconie de la beauté” sy ny “Foire du Diocèse vert”, tany amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco