♦ Hivory ara-potoana voalohany manomboka anio ireo Antenimiera mpanao lalàna. Fivoriana haharitra 60 andro, handinihina tolo-dalàna sy volavolan-dalàna samihafa... ♦ Mitaky fihaonana mivantana amin'ireo Ministra eo anivon'ny Governemanta ireo Solombavambahoaka mpanohitra amin'izao fivoriana ara-potoana izao... ♦ Efa navoaka ny fonja omaly ihany ny vadin'ny Kôlônely Patrick Rakotomamonjy, taorian'ilay toromarika nomen'ny filoham-pirenena. Fahefana voafaritry ny lalàna velona izany, hoy ny mpahay lalàna... ♦Nametra-pialàna ny Praiministra any Roumanie, taorian'ny naharesy ny antokony tamin'ny fifidianana filoham-pirenena ny alahady teo...
06 mey — I Dominique Savio dia ilay tanora salezianina, teraka tao Riva di Chieri tamin'ny taona 1842, tany akaikin'i Turin tany izany. Zaza faharoa amin'ny folo mianadahy nateraky hy ray aman-dreniny izy. Mbola kely dia efa nanana fitiavam-bavaka latsa-paka sy faharanitan-tsaina i Dominique Savio, vao efa-taona monja izy dia efa nahay sy nahavita ny vavaka Angélus, in-telo isan'andro.
Ny Jody : mifandray amin'Andriamanitra amin'ny fivavahany sy ny finoany izy fa tsy mifandray mivantana amin'ilay Eglizy vahoakan'Andriamanitra. Ny vahoaka Jody no anisan'izay nandray ny fampanantenana ary notiavin'Andriamanitra mandrakariva noho ireo Patriarka teo aminy ; tsy narian'Andriamanitra velively ny olony hoy i Masindahy Piera Apôstôly... Katesizy momba ny Eglizy fahazavan'izao tontolo izao, iarahana amin'i P. Randriamiarantsoa Germain Thierry.
♦ Tsy niandry ela fa androany maraina ihany dia efa nivoaka ny fonjan'Antanimora ny vadin'ny Kôlônely Patrick rakotomamonjy. Ity manambonahitra ity izay enjehina sy karohana noho ny fametrahana cocktail molotov teny Antanimena sy 67ha... ♦ Fanadihadiana tamin'ny mpahay lalàna momba ny baiko nomen'ny filohan'ny repoblika Andry Rajoelina hamoahana ilay renim-pianakaviana teny Antanimora iny... ♦ Tsy nomen'ny birao maharitry ny antenimieram-pirenena toerana tao anatin'ny fandaharam-potoana ny lahadinika naroson'ny solombavambahoaka mpanohitra, tamin'ny fivoriana farany teo hoy ny solombavambahoaka Jean Jacques Rabeniriina...
• Notanterahana ny 21 sy 22 jona 2025 ny hetsika entina hanohanana ny Seminera Zandriny, tao amin'ny Diosezin'Antsirabe, sady nankalazana ny fetin'ny Sakramenta Masina... • Katesista miisa 11 no nahavita fiofanana nandritra ny folo volana ka navoaka tamin'ny fomba ofisialy ny 24 jona 2025, tao amin'ny Diosezin'i Farafangana... • Nataon'Andriamanitra ho vatofehizoro ny vato nolavina, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly alahady, nankalazana ny fetin'i Masindahy Piera sy i Paoly...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco