Amin'ny maha mpiandry ondry ny Eveka dia tsy maintsy mijoro ho fakan-tahaka sy be herim-po izy amin'ny fanahafana an'i Jesoa Kristy ka hazoto sy hanetritena hatrany amin'ny fanatontosana ny adidiny. Amin'ny fanatanterahany amin-kitsim-po sy am-pitiavana ny asany, miampy ny hanitry ny fitiavam-bavaka ao aminy no hanamasinan'ny Eveka ny tenany... Katesizy momba ny antso - Loloha lanitra - ho amin'ny fahamasinana ao amin'ny Eglizy, iarahana amin'i P. Wagner Randriamampandry.
• Herinandro tao aorian'ny fitakiany, tsy afapo amin'ny valintenin'ny fitondrana ny tambaben'ny mpiara-miasan'ny Jirama. Hitokona izy ireo manomboka rahampitso, araka ny fanambarana androany... • Ben'ny Tanana miisa 45 aty amin'ny faritry ny Ranomasimbe Indiana no mivory eto an-drenivohitra. Mizara traikefa sy fahaiza-manao momba ny hetra sy ny fizakan-tena ary ny fampandrosoana ara-toekarena, eny anivon'ny kaominina izy ireo... • Efa miaina ny voka-dratsin'ny fiovan'ny toetrandro ireo kaominina manamorona ny lalam-pirenena fahatelo, ka nanangana tetikasa hiatrehana izany fiovan'ny toetrandro izany, miaraka amin'ny fikambanana samihafa ao aminy...
♦ Hiteraka fahavoazana ny fanosehana ny filoham-pirenena hanitatra ny fe-potoam-pitondràny fanintelony, hoy ny Profesora Ralison Roger, manoloana ny vaovao niparitaka tato ho ato... ♦ Tafakatra 49 isa ireo olona matin'ny fahapoizinana ara-tsakafo faobe nanerana an'i Madagasikara, tao anatin'ny iray volana latsaka herinandro. Tsy nahenoina fanazavàna intsony ireo tompon'andraikitra ambony, efa herinandro mahery izao... ♦ Vola 70.000 Ariary hatramin'ny 1.000.000 Ariary no ilaina ho an'ny ankizy iray, amin'ny fidirany mianatra amin'ny taom-pianarana ho avy io. Efa mila miomana amin'izany indray ny ray aman-dreniny amin'izao roa volana mialoha izao...
Ramanetaka dia governora an'i Mahajanga tamin'ny andron'i Mpanjaka Radama. Raha araka ny tetiarana dia Printsy Malagasy amin'ny laharan'ny olona mandova fanjakàna avy amin'i Radama-I, izy satria zanaky ny Mpiray tampo amin'i Radama. Tsy nanana zanaka anefa ny Mpanjaka Radama, ny Mpanjaka Ranavalona-I no nandimby azy ka nampamono izay mety ho mpandova fahefana sy fanjakàna mba hanjakany ankalalahana, noho izany dia nitsoaka tao Comores i Ramanetaka. Rehefa niorom-paka sy nifanandrina tamin'ny tompom-pahefana tao Comores izy dia lasa Mpanjaka tao, nandray ny anarana Abdou-Raman...
• Mibanjina, mitandrina ary mahafoy: izay no hafatra napetrak'i Mompera Rakotondranaivo José Gaston, Provinsialin'ny Fikambanana Salezian'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maurice, nandritra ny voady voalohany nataon'ireo frera miisa 13 mirahalahy avy eo anivon'ity fikambanana ity... • Notanterahana tao anatin'ny efatra andro ary nifarana omaly, ny “Festival de la diaconie de la beauté” sy ny “Foire du Diocèse vert”, tany amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco