9 aogositra 2024 — Zoma, Herinandro Tsotra fahavalo ambin'ny folo Mandavantaona — Ny ondriko mihaino ny feoko, hoy ny Tompo; Izaho mahalala azy, ary izy mahalala Ahy — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 16, 24-28)
♦ Efa ôfisialy fa ny 11 desambra 2024 no daty hanatanterahana ny fifidianana Ben'ny Tanàna sy Mpanolotsaina eto amintsika. Nankatoavina ny didim-panjakana fiantsoana ny mpifidy amin'izany fifidianana izany... ♦ Hiaka-dapa eny Tsimbazaa rahampitso ny Praiminisitra, hanolotra ny fandaharan'asany ho fampandrosoana ny firenena... ♦ Mbola mitohy ny fitokonana faobe ataon'ireo mpiasan'ny FOFIFA manerana ny nosy, hitakiana ny fialan'ny Tale Jeneraly. Tsy manao afa-tsy fiandrasan-draharaha izy ireo hatramin'ny androany...
♦ Andriamatoa Randriamandrato Richard, Ministry ny raharaham-bahiny teo aloha no natolotry ny fitondrana Malagasy ho kandidà amin'ny fifidianana filohan'ny Vaomieran'ny vondrona Afrikana. Isan'ny hifanandrina aminy ny lehiben'ny mpanohitra any Kenya, Raïla Odinga... ♦ Miantso ny Bianco hanao fanadihadiana momba ny fomba fiasa sy ny fepetra noraisin'ny JIRAMA farany teo Profesora Ralison Roger. Manararao-pahefana ny mpitantana ao amin'ity orinasa ity hoy izy... ♦ Tokantrano 657.000 isa no hisitraka fanampiana amin'ilay fandaharan'asa ara-tsôsialy TSIMBINA. Ireo distrika 119, manerana ny nosy no hahazo anjara amin'izany... ♦ Andriamatoa Muhammad Yunus no voatendry hitantana ny governemanta any Bangladesh...
♦ Andriamatoa Razakamanantsoa Gaby Nestor no tale jeneralin'ny Bianco voavao, izy no handimby an'Andriamatoa Laza Erick Donnat Andrianiriana nahavita fe-potoam-piasana 5 taona tsy azo havaozina... ♦ Andro faharoa amin'ny FIER MADA ny anio. Nanomboka omaly hatramin'ny alahady izao eny amin'ny Maki Andohatapenaka ity Tsenabe iraisam-pirenena momba ny toe-karena ambanivohitra andiany faha-25 ity... ♦ Natomboka tamin'ny fomba ôfisialy omaly ny tetik'asa AVOTSE. Ny hampihenana sy hanalefahana ny voka-dratsy ateraky y loza voajanahary toy ny hain-tany any amin'ny faritra atsimon'ny nosy no tanjona... ♦ Mihatra ao Koursk ny amehana amin'ny tany miady...
• Miorina amin'ny fanantenana hadio toa an'i Kristy. Io no teny hifanentanan'ireo Fanilon'i Madagasikara manatanteraka Lasy Nasionaly, nanomboka ny 18 hatramin'ny 23 aogositra 2025... • Tanora, mpivahiny masina miisa 869 no nahatanteraka ny Andron'ny Tanora ho an'ny Diosezin'i Mahajanga, tamin'iny herinandro lasa teo iny... • Notanterahana tao amin'ny Diosezin'Ambanja ny Fivahinianana Masina andiany faha-2 ho an'ny Vondrona Iniasianina...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco