♦ Malemy ny fitondrana amin'ny Ben'ny Tanàna ho an'Antananarivo Renivohitra, hoy ny Ilo Mada. Nambaran'ny filohan'ity antoko ity fa efa ampoizina ireo fomba hanilihana ny mpifaninana amin'ny fikarakarana ny fifidianana amin'izao... ♦ Voatery nampidirina hôpitaly haingana i Mahery Lanto Manandafy omaly tolakandro. Ahiana ho tatry ny fahatapahan'ny lalan-drà ity mpanao pôlitika gadraina eny Antanimora ity... ♦ Tombanana hivoaka ny faran'ny herinandro izao ny valim-panadinana Bakalôrea 2024, ho an'ny Faritanin'Antananarivo...
♦ Mason-tsivana anisan'ny takiana amin'ireo mpilatsaka hofidiana ho Ben'ny Tanàna ny fandoavan-ketra. Namerina nampahatsiahy ireo kandidà ny Foibe Fitantanana ara-ketra... ♦ Hiroso avy hatrany amin'ny fanofanana ireo mpikambana amin'ny rantsana mpandray ny antonta-taratasin'ireo kandidà hilatsaka ho Ben'ny Tanàna ny CENI, amin'ity herinandro ity... ♦ Manjaka ny fanafihana mitam-piadiana hamoizana ain'olona, any amin'ny Distrikan'i Mananjary. Mpandraharaha iray no namoy ny ainy ny herinandro lasa teo...
Olon'ny vavaka i Jesoa mazava arak'izany fa mivavaka Izy ary manome fitaratra ho antsika amin'izany vavaka izany. Na dia zanak'Andriamanitra aza i Jesoa, izany hoe Andriamanitra dia nivavaka toy ny olona rehetra mivavaka ary tena nivavaka tokoa. Mamaritra ny toetra maha-olona ny vavaka ka anisan'izany i Jesoa ; izany no niantsoana azy hoe "zanak'olona". Amin'ny maha Zanak'olona Azy no nilany ny vavaka. Katesizy momba an'i Jesoa, olon'ny vavaka, iarahana amin'i P. Justolat Rafaralahimboa.
20 aogositra 2024 — Talata, Herinandro Tsotra faharoapolo Mandavantaona — Ny ondriko mihaino ny feoko, hoy ny Tompo, Izaho mahalala azy ary izy manaraka Ahy — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 19, 23-30)
• Kristy, loharanon'ny fanantenana, ny fampihavanana ary ny fiadanana. Vinan'ny Fiangonana Fianakavian'Andriamanitra eto Afrika, ho an'ny 25 taona ho avy. Io no hafatra avy amin'ny Fihaonambe faha-20-n'ny Fivondronamben'y Eveka Katolika eto Afrika sy Madagasikara... • Tontosa ny 10 aogositra 2025 ny Eokaristia Masina, nametrahana an'i Mgr Marek Ochlak, teo amin'ny fiketrahana maha Evekan'ny Diosezin'i Fenoarivo Atsinanana azy... • Na aiza na aiza misy antsika, aza avela ho verivery foana ny fotoana ahafahana mitia. Io no fanentanana nataon'ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco