Vakiteny voalohany

Bokin’i Ezekiela Mpaminany (Ezek. 28, 1-10)

Olombelona ihany ianao, fa tsy Andriamanitra akory, na dia ataonao ho toy ny fon’Andriamanitra aza ny fonao.

Tonga tamiko ny tenin’ny Tompo nanao hoe:
Ry zanak’olona, lazao ny mpanjakan’i Tira hoe:
Izao no lazain’ny Tompo Andriamanitra:
Noho ny fonao nanandra-tena, sady ianao nanao hoe:
“andriamanitra aho,
no ipetrahako eo anivon’ny ranomasina, seza fiandrianan’Andriamanitra”;
nefa olombelona ihany ianao, fa tsy Andriamanitra tsy akory,
na dia ataonao ho toy ny fon’Andriamanitra aza ny fonao!
— Indro ianao fa hendry noho i Daniely, tsy misy zava-takona miafina aminao;
tamin’ny fahendrenao amam-pahalalanao, nahazo harena ho anao ianao;
ka nahangona volamena sy volafotsy miavosa, ho ao amin’ny rakitrao;
tamin’ny halehiben’ny fahendrenao, tamin’ny varotrao, hampitombo ny harenao,
ka dia nanandra-tena ny fonao azon’ny harenao. —
Noho izany, izao no lazain’ny Tompo Andriamanitra:

“Satria nanao ny fonao ho toy ny fon’Andriamanitra ianao,
noho izany dia indro, hitondra firenen-kafa hamely anao Aho,
dia firenena masiaka indrindra amin’ny firenena;
hotsoahany ny sabany hamelezana ny filohan’asan’ny fahendrenao,
ary hohamavoiny ny famirapiratanao.
Havariny any an-davaka ianao,
ka ho faty amin’ny fahafatesan’izay voavono ao anatin’ny ranomasina.
Ianao va mbola hilaza hoe: andriamanitra aho, eo anatrehan’ny mpamono anao;
nefa olombelona ihany ianao, fa tsy Andriamanitra tsinona,
eo an-tanan’izay mamono anao?
Toy ny fahafatin’ny tsy voafora no hahafaty anao, amin’ny tanan’ny hafa firenena;
fa Izaho no niteny izany.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo: Det. 32, 26-27ab. 27de-28. 30. 35de-36ab

Izaho no mahafaty sy mahavelona.

Saika hataoko hoe: hofaohiko amin’ny indray mitsoka ireo,
hofoanako tsy ho eo amin’ny olombelona ny fahatsiarovana azy,
raha tsy noho ny tahotra ny hireharehan’ny fahavalo,
sy ny hahadiso hevitra ny mpandrafy azy.

Ka hilaza hoe: ny tananay no nahery.
Fa tsy ny Tompo no nanao izany rehetra izany.
Fa firenena tsy manam-pahendrena izy,
ary tsy misy saina eo aminy.

Hataon’ny irery lahy ahoana no fanenjika ny arivo,
hataon’ny roa lahy ahoana no fampandositra ny iray alina
raha tsy ny Vatolampy no efa nivarotra azy,
raha tsy ny Tompo no efa nanolotra azy?

Fa antomotra ny andro hahitany loza,
ary ho avy faingana izay anjara ho azy.
Fa homen’ny Tompo rariny ny vahoakany,
ary noho ny mpanompony dia hanenina Izy.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Ny ondriko mihaino ny feoko, hoy ny Tompo, Izaho mahalala azy ary izy manaraka Ahy.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 19, 23-30)

Moramora kokoa ny hidiran’ny rameva amin’ny vodifanjaitra noho ny hidiran’ny mpanan-karena amin’ny fanjakan’ny lanitra.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe:

“Lazaiko marina aminareo fa sarotra ny hidiran’ny mpanan-karena amin’ny fanjakan’ny lanitra.
Ary izao koa no lazaiko aminareo:
moramora kokoa ny hidiran’ny rameva amin’ny vodifanjaitra
noho ny hidiran’ny mpanan-karena amin’ny fanjakan’ny lanitra.”

Gaga dia gaga ny mpianany nandre izany teny izany, ka nanao hoe:

“Koa iza ihany àry no mety ho voavonjy?”

Nijery azy ireo i Jesoa ka nanao hoe:

“Tsy hain’olombelona izany,
fa vitan’Andriamanitra ny zavatra rehetra.”

Namaly i Piera ka nanao taminy hoe:

“Indro izahay efa nahafoy ny zavatra rehetra, ary nanaraka Anao,
ka inona àry no ho azonay?”

Hoy i Jesoa taminy:

“Lazaiko marina aminareo fa raha mby amin’ny andro fanavaozana,
ny Zanak’Olona dia hipetraka eo amin’ny fiketrahan’ny fiandrianany;
ary ianareo izay nanaraka Ahy koa hipetraka amin’ny fiketrahana roa ambin’ny folo,
ka hitsara ny foko roa ambin’ny folo amin’i Israely.
Ary izay rehetra handao ny tranony, na ny rahalahiny, na ny anabaviny,
na ny rainy, na ny reniny, na ny vadiny, na ny zanany, na ny taniny,
noho ny Anarako, dia sady hahazo zato heny no handova ny fiainana mandrakizay.
Nefa maro izay voalohany no ho farany,
ary maro koa izay farany no ho voalohany.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 16 septambra 2024

♦ Nitsidika ny Diôsezin'i Tomasina, ny sabotsy 14 septambra 2024 i Mgr Herivonjilalaina, izay notendren'ny Papa François ho Evekan'ny Diôsezin'Ambatondrazaka... ♦ Misy ny rafitra vaovao napetraka ho an'ny Diôsezin'Antsirabe, nambara amin'ny fomba ôfisialy izany omaly, nandritra ny famaranana ny fivahinianana masina fanao isan-taona... ♦ Ny hoe mahafantatra an'i Jesoa dia manaiky azy hanova ny fiainantsika, io no votoatin'ny fampianaran'ny Ray masina François, nandritra fampianarana mialoha ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...