♦ Tontosa omaly alahady ny fivahinianana Masina fanao isan-taona ho an'ny Diôsezin'Antsirabe... ♦ Tontosa omaly ny fanadinana andiany voalohany handraisana mpiofana zandary miisa 1.500, hatao any Ambositra ny fihodinana faharoa... ♦ Maherin'ny 360.000 isa ny tokantrano tantsaha mpikambana ao amin'ny FIFATA mankalaza ny faha-35 taona nijoroan'ny fikambanana... ♦ Hiverina hisokatra ho an'ny rehetra ny sabotsy 7 desambra ny varavaran'ny katedraly Notre Dame de Paris.. ♦ Niheren-doza indray Andriamatoa Donald Trump raha ny fampitam-baovao avy amin'ireo ekipany, amin'ny fiomanana fiatrehana fifidianana filohan'ny repoblika any Etazonia...

♦ Mety hihemotra ny daty farany handraisana ny antotan-taratasy filatsahan-kofidiana ben'ny tanàna sy mpanolontsaina, manoloana ny fahavitsian'ny kandidà efa nahatontosa ny fametrahana antotan-taratasy... ♦ Hiroso amin'ny fampiasana ny sambo hitaterana entana ny paositra Malagasy atsy ho atsy, iatrehana amin'ny fifaninanana... ♦ Mpiasa miisa 244 no nampihatoana ara-teknika teny amin'ny orinasa afakaba teny Ankadikely-Ilafy... ♦ Nandefa tifitra MISSIL niainga avy any Yemen tany afovoan'i Israely omaly maraina ny vondrona mpihoko Houthis izay tohanan'i Iran... ♦ Mpifindra monina an-tsokosoko miisa 8 no maty, ary 6 hafa naratra nahiditra hopitaly vokatry ny faharendrehan'ny sambo nitondra azy ireo tany La Manche...

Mamaly foana ny vavaka Andriamanitra: anio, rahampitso, mamaly foana Izy, amin'ny fomba samihafa. Averin’ny Baiboly imbetsaka izany: Mihaino ny fitarainan’izay miantso Azy Andriamanitra. Eny, na dia ny fangatahanatsika manahirana indrindra, izay mahamenatra antsika; ilana faharetana lalandava, ny fiandrasana ny valim-bavaka. Na ny fahafatesana aza mangovitra rehefa mivavaka ny Kristiana... Katesizy momba ny vavaka fangatahana, iarahana amin'i P. Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana.

16 septambra 2024 — Alatsinainy, Herinandro Tsotra fahefatra amby roapolo Mandavantaona — Velona sy mahery ny tenin’Andriamanitra; fantany mazava ny fieritreretana amam-pisainan’ny fo — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 7, 1-10)

[Miara-dàlana] Alatsinainy 11 aogositra 2025

• Kristy, loharanon'ny fanantenana, ny fampihavanana ary ny fiadanana. Vinan'ny Fiangonana Fianakavian'Andriamanitra eto Afrika, ho an'ny 25 taona ho avy. Io no hafatra avy amin'ny Fihaonambe faha-20-n'ny Fivondronamben'y Eveka Katolika eto Afrika sy Madagasikara... • Tontosa ny 10 aogositra 2025 ny Eokaristia Masina, nametrahana an'i Mgr Marek Ochlak, teo amin'ny fiketrahana maha Evekan'ny Diosezin'i Fenoarivo Atsinanana azy... • Na aiza na aiza misy antsika, aza avela ho verivery foana ny fotoana ahafahana mitia. Io no fanentanana nataon'ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...