I Masimbavy Émérentienne na Émérance no tsaroan'ny Fiangonana rehefa 23 janoary. Niaina tamin'ny taonjato fahefatra i Émérentienne, andevo izy, zanak'ilay mpitaiza an'i Masimbavy Agnès. Nibebaka ho kristianina izy noho ny fahitany fiainan'i Agnès izay noraisiny ho toy ny rahavaviny mihitsy. Olona irey ihany moa no nampinono azy mirahavavy ireto.

Satana dia isan'ny fahavalon'ny vavaka, ary tsy maintsy resena. Mila mahay manavaka ny asan'ny fanahy isika ; misy telo dia ny fanahintsika dia ny sitrapo izay, ny fanahy ratsy dia ny satana, ary ny fanahy tsara izay vokatry ny fanahy masina. Fomba iray hiadiana amin'ny fakam-panahy ny fitokanana sy ny fahatokisana an'Andriamanitra fa tsy hamela antsika ho resin'ny fakam-panahy Izy... Katesizy momba ny tolona fanao amim-bavaka, iarahana amin'i P. Rabenirina Joseph.

  • Miantso an'ireo mpisehatra amin'ny fifandraisan'ny mpiara-belona hanatanteraka ny fanirian'ny Papa François ampita ny fanantenana ho an'ny vahoaka ketraky ny fiainana i Mgr Clément Herizo Rakotoasimbola, Evekan'i Maintirano, filohan'ny vaomieran'ny Eveka momba ny fifandraisan'ny mpiara-belona eto Madagasikara...
  • Tombanana ho betsaka ny rotsak'orana ho an'ny atitany sy ny faritra afovoany andrefan'ny nosy noho ny tsiokan'ny talio. Mety hatratra 70 hatramin'ny 110mm ny rotsak'orana andrasana ao anatin'ny 24 ora...
  • Miatrika fivoriambe eny Antaninarenina ireo mpiantsehatra ao amin'ny ANFA. Isan'ny dinihana ny momba ny famoahana sy fanolorana ny volavolan-dalàna fanorenana ity rafitra ity...
  • Manohy ny zera baomba any Palestine ny tafika israelianina. Farafahakeliny olona 10 no maty tany Jenine faritra avaratr'i Cis Jordanie androany...

Ny fitsipi-pifehezana sy ny fitondrantena ary ny fahalalam-pomba eo anivon'ny fiaraha-monina dia isan'ireo fototra sy andry lehibe ho an'ny fampivoarana ny fiainan'ny tsirairay sy ny fianakaviana. Ny fitsipi-pifehezana no antoka iray mahatsara fitondrantena ny olona iray. Ny fitsipi-pifehezana dia ny fiaraha-monina no manadrafitra azy : Sekoly, orinasa, tokan-trano, fiaraha-monina... Fandaharana "ampela miary" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 15 septambra 2025

• Avoaka amin'ny fomba ofisialy ny sabotsy 20 septambra 2025, ny Andiany Masindahy Augustin, eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Manentana antsika hivavaka ho an'ny fifandraisan'ny olombelona amin'ny voaary manontolo, ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa Maneran-tany,  ho an'ity volana septambra ity... • Avy amin'ny Hazofijalina ny fiainana mandrakizay, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny vavaka Angelus, omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...