Talata 07 jolay 2020 — Herinandro faha-14 mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 9, 32-38 — Velomy araka ny hatsaram-ponao ; mba hitandremako ny fanambarana avy amin'ny vavanao.

♦ Olona 213 vaovao indray no voatily ho mitondra ny tsimok'aretina Coronavirus eto amintsika. Telo no namoy ny ainy... ♦ Miverina mihiboka tanteraka manomboka anio, hatramin'ny 20 jolay ny eto amin'ny faritra Analamanga... ♦ Miaramila miisa 500 no nahetsika, hanatanterahana ireo fepetra amin'ny fiverenan'ny fihibohana eto Analamanga...

Ny fisian'ny tsimok'aretina sy ny fiparitahany no nametrahana ny hamehana ara-pahasalamana, izay tsy maintsy hanajana ireo fepetra farafahakeliny : ny fijanonana an-trano, ny fanaovana aro-vava sy aro-orona, ny fanasana tànana matetika amin'ny rano sy savony ary ireo "gel hydroalcoolique", ny fanajana ny elanelana iray metatra, ny famendrahana fanafody matetika amin'ny toerana isan-tsokajiny. Na dia miteraka sakana ara-tsaina aza izany dia atrehana am-pitoniana sy am-pitandremana, mba hahazoana fahasalamana .

Alatsinainy 06 jolay 2020 — Herinandro faha-14 mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 9, 18-26 — Ny teninao, ry Tompo dia fanahy sy fiainana. Ianao no manana ny teny mahavelona mandrakizay.

[Miara-dàlana] Zoma 19 septambra 2025

• Hotanterahana ao amin'ny kianjan'ny Kolejy Masina Misely Amparibe ny alahady 21 septambra 2025, ny fanamasinana ho Eveka an'i Mompera Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Nankalaza ny fanandratana ny Hazofijaliana Masina ny Diosezin'i Port-Bergé... • Mamelona indray ny fanantenana ny famafana ny ranomaso, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fankalazana ny Jobilin'ny Fanalana Alahelo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...