Ny fisian'ny tsimok'aretina sy ny fiparitahany no nametrahana ny hamehana ara-pahasalamana, izay tsy maintsy hanajana ireo fepetra farafahakeliny : ny fijanonana an-trano, ny fanaovana aro-vava sy aro-orona, ny fanasana tànana matetika amin'ny rano sy savony ary ireo "gel hydroalcoolique", ny fanajana ny elanelana iray metatra, ny famendrahana fanafody matetika amin'ny toerana isan-tsokajiny. Na dia miteraka sakana ara-tsaina aza izany dia atrehana am-pitoniana sy am-pitandremana, mba hahazoana fahasalamana .

 

[Miara-dàlana] Zoma 17 oktobra 2025

• Hampafantarina amin'ny fomba ofisialy ny alahady 9 novambra 2025, ny Baiboly Masina Katolika misy fanazavana... • Manatanteraka fihaonambe maneran-tany any Argentine, ny Lahika Karismatika Orionista... • Loharanon'ny fanantenana sy ny fahafenoana ny fitsanganan'i Kristy ho velona, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fampianarany nandritra ny Audience générale ny alarobia lasa teo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...